Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 23:27 - Baiboly Katolika

Hoy i Balàka tamin’i Balaama: «Andeha àry ianao hoentiko any amin’ny toeran-kafa, fa angamba ho sitrak’Andriamanitra ny hanozonanao azy any.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia hoy i Balaka tamin’i Balama: Andeha hoentiko amin’ny toerana hafa indray ianao; angamba ho sitrak’Andriamanitra ny hanozonanao azy avy any!

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Dia hoy koa i Balàka tamin’i Balahama: –Andao fa hoentiko any amin’ny toeran-kafa indray ianao; angamba hoeken’Andriamanitra amin’izay ny hanozonanao io vahoaka io any.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia hoy koa i Balàka tamin’i Balahama: –Andao fa hoentiko any amin’ny toeran-kafa indray ianao; angamba hoeken’Andriamanitra amin’izay ny hanozonanao io vahoaka io any.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia hoy Balaka tamin’i Balama: Andeha ho entiko any amin’izay tany hafa hianao; angamba ho sitrak’Andriamanitra ny hanozonanao azy any ho ahy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia hoy Balaka tamin'i Balama: Andeha ho entiko any amin'izay tany hafa ianao; angamba ho sitrak'Andriamanitra ny hanozonanao azy any ho ahy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia hoy i Balaka tamin’i Balama: Andeha hoentiko amin’ny toerana hafa indray ianao; angamba ho sitrak’Andriamanitra ny hanozonanao azy avy any!

Jereo ny toko



Nomery 23:27
12 Rohy Ifampitohizana  

Manana ny heviny anefa Izy; ka iza no hampiova Azy amin’izay? Izay iriny tanterahiny avokoa.


maro ny fikasana mihetsiketsika ao am-pon’ny olona, fa ny hevitr’i Iaveh ihany no tanteraka.


Tsy misy fahendrena na fahamalinana, na fisainana eo anatrehan’i Iaveh.


Fa i Iavehn’ny tafika no efa nanapaka izany, ka zovy no hahasakana izany, ary ny tanany efa nahinjiny, ka iza no hahasakana izany?»


Noho Izaho Iaveh tsy miova, no tsy nahafongotra anareo, ry taranak’i Jakôba.


Koa mihanta aminao aho, tongava atỳ amiko ianao, hanozona io vahoaka io fa mahery noho izaho izy; angamba izany no hahazoako mandresy azy sy mandroaka azy hiala amin’ny tany; satria fantatro fa izay tsofinao rano dia voatso-drano ary izay ozoninao dia voaozona.»


Dia hoy i Balàka taminy: «Andeha hiaraka amiko ianao ho any amin’ny toeran-kafa, izay hahitanao azy nefa ny sisiny ihany no ho hitanao, fa tsy ho izy manontolo, ary any dia ozòny izy.»


Fa hoy ny navalin’i Balaama an’i Balàka nanao hoe: «Moa tsy efa niteny taminao va aho nanao hoe: izay lazain’i Iaveh, hataoko avokoa?»


Dia nentin’i Balàka i Balaama ho any an-tampon’i Fogôra izay manerinerina amin’ny efitra.


satria tsy misy anenenany ny fanomezan-tsoa sy ny fiantsoan’Andriamanitra.