Izaho hahatonga anao ho firenena lehibe sy hitso-drano anao, ary hampanan-daza ny anaranao.
Nomery 23:20 - Baiboly Katolika Indro efa nahazo teny hitso-drano aho; Izy efa nitso-drano, ka tsy hanova izany aho. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Indro, ny hitahy no nomena hataoko; ary efa nitahy Izy ka tsy mahaova izany aho. DIEM PROTESTANTA Efa nekeko ny hitsodrano ity vahoaka ity; ary efa nitsodrano azy rahateo ny TOMPO ka tsy afaka hanova na inona na inona aho. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Efa nekeko ny hitsodrano ity vahoaka ity; ary efa nitsodrano azy rahateo ny TOMPO ka tsy afaka hanova na inona na inona aho. Baiboly Protestanta Malagasy Indro, ny hitahy no efa azoko; Ary efa nitahy Izy, ka tsy mahova izany aho. Malagasy Bible Indro, ny hitahy no efa azoko; ary efa nitahy Izy, ka tsy mahova izany aho. La Bible en Malgache Indro, ny hitahy no nomena hataoko; ary efa nitahy Izy ka tsy mahaova izany aho. |
Izaho hahatonga anao ho firenena lehibe sy hitso-drano anao, ary hampanan-daza ny anaranao.
dia hanisy soa anao Aho, hahamaro ny taranakao tahaka ny kintana eny an-danitra sy ny fasika eny amoron-dranomasina, ary ny taranakao hahazo ny vavahadin’ny fahavalony.
Tera-kovitra mafy indrindra i Isaaka, ka nanao hoe: «Iza àry ilay efa naka haza, ka nitondra teto amiko? Fa efa nihinanako avokoa izany, talohan’ny nahatongavanao; ary efa nitso-drano azy aho, ka ho voatso-drano tokoa izy.»
Sitrakao ny hitso-drano ny fianakavian’ny mpanomponao ankehitriny, haharetany mandrakizay eo anatrehanao, fa izay tsofinao rano, ry Iaveh ô, dia voatso-drano mandrakizay.
Izaho no Andriamanitra. Amin’ny sisa Izaho ihany koa no izy, ary tsy misy olona mahafaka amin’ny tanako; Hiasa Aho, ka zovy moa no hahasakana izany?
Fa hoy Andriamanitra tamin’i Balaama: «Aza mandeha miaraka amin’ireo, ary aza manozona izany vahoaka izany, fa nohasoavina izy.»
Dia namaly i Balaama, ka nanao tamin’ny mpanompon’i Balàka hoe: «Na omen’i Balàka volafotsy sy volamena eran’ny tranony aza aho, dia tsy mahazo mandika ny tenin’i Iaveh Andriamanitro aho, ka hanao zavatra na kely na lehibe.
Hoy i Balaama tamin’i Balàka: «Indro aho mankatỳ aminao; fa ankehitriny moa ho afa-milaza na inona na inona va aho? Ny teny hataon’Andriamanitra ao am-bavako no holazaiko.»
dia ianareo izay arovan’ny herin’Andriamanitra amin’ny finoana ho amin’ny famonjena, izay efa vonon-kaseho amin’ny andro farany.