Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 22:18 - Baiboly Katolika

18 Dia namaly i Balaama, ka nanao tamin’ny mpanompon’i Balàka hoe: «Na omen’i Balàka volafotsy sy volamena eran’ny tranony aza aho, dia tsy mahazo mandika ny tenin’i Iaveh Andriamanitro aho, ka hanao zavatra na kely na lehibe.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

18 Namaly an’ireo mpanompon’i Balaka anefa i Balama hoe: Na dia homen’i Balaka volafotsy sy volamena eran’ny tranony aza aho dia tsy mahazo manoatra ny didin’NY TOMPO Andriamanitro na handatsaka na hampihoatra.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

18 Fa hoy i Balahama namaly ireo mpanompon’i Balàka: –Na dia homen’i Balàka volafotsy sy volamena mahafeno ny tranony aza aho, dia tsy afaka hanao zavatra na kely na lehibe izay mifanohitra amin’ny tenin’ny TOMPO Andriamanitro.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

18 Fa hoy i Balahama namaly ireo mpanompon’i Balàka: –Na dia homen’i Balàka volafotsy sy volamena mahafeno ny tranony aza aho, dia tsy afaka hanao zavatra na kely na lehibe izay mifanohitra amin’ny tenin’ny TOMPO Andriamanitro.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

18 Fa namaly Balama ka nanao tamin’ny mpanompon’i Balaka hoe: Na dia homen’i Balaka volafotsy sy volemana eran’ny tranony aza aho, dia tsy mahazo manoatra ny tenin’i Jehovah Andriamanitro aho, na handatsaka, na hampihoatra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

18 Fa namaly Balama ka nanao tamin'ny mpanompon'i Balaka hoe: Na dia homen'i Balaka volafotsy sy volemana eran'ny tranony aza aho, dia tsy mahazo manoatra ny tenin'i Jehovah Andriamanitro aho, na handatsaka, na hampihoatra.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

18 Namaly an’ireo mpanompon’i Balaka anefa i Balama hoe: Na dia homen’i Balaka volafotsy sy volamena eran’ny tranony aza aho dia tsy mahazo manoatra ny didin’NY TOMPO Andriamanitro na handatsaka na hampihoatra.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 22:18
14 Rohy Ifampitohizana  

Fa hoy ity olon’Andriamanitra tamin’ny mpanjaka: «Na dia omenao ny antsasaky ny tranonao aza aho, dia tsy hiara-miditra aminao, sady tsy hihina-mofo na hisotro rano amin’ity fitoerana ity aho,


Fa hoy ny navalin’i Mikea: «Velona i Iaveh! Dia izay holazain’i Iaveh amiko ihany no hambarako koa.»


Fa hoy ny navalin’i Mikea: «Velona i Iaveh! Izay hambaran’Andriamanitra no holazaiko.»


sy amin’ireo andriandahy be volamena, nameno volafotsy ny fonenany.


Ary ankehitriny, mihanta aminareo aho mba hijanona atỳ indray koa ianareo anio alina, hahafantarako izay holazain’i Iaveh amiko indray.»


Hoy i Balaama tamin’i Balàka: «Indro aho mankatỳ aminao; fa ankehitriny moa ho afa-milaza na inona na inona va aho? Ny teny hataon’Andriamanitra ao am-bavako no holazaiko.»


ary hoy i Balaama taminy: «Mandria atỳ anio alina, fa omeko valiny, araka izay hambaran’i Iaveh amiko ianareo.» Dia tafajanona tao amin’i Balaama ireo andriandahin’i Moaba.


Fa hoy ny navalin’i Balaama an’i Balàka nanao hoe: «Moa tsy efa niteny taminao va aho nanao hoe: izay lazain’i Iaveh, hataoko avokoa?»


Hoy ny navalin’i Balaama an’i Balàka: «Tsy efa voalazako tamin’ny iraka nalefanao tany amiko va, fa hoe:


Na dia homen’i Balàka volafotsy sy volamena eran’ny tranony aza aho, dia tsy hahazo mandika ny tenin’i Iaveh, ka hanao na inona na inona, na soa na ratsy amin’ny nahim-poko, fa izay holazain’i Iaveh ihany no holazaiko.


«Aoka ho very miaraka amin’ny tenanao ny volanao, satria nataonao fa azo vidim-bola ny fanomezan’Andriamanitra.


Manao azy ho mahalala an’Andriamanitra izy ireo, nefa mandà Azy amin’ny asany, satria olona vetaveta sy manohitra ary tsy mahavita asa soa na inona na inona.


Fa tsy nety nihaino an’i Balaama aho, ka nitso-drano anareo izy, dia voavonjiko tamin’ny tanan’i Balàka ianareo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra