Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 6:27 - Baiboly Katolika

27 Dia izany no hametrahany ny Anarako amin’ny zanak’i Israely, ary Izaho hitahy azy.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

27 Dia hametraka ny anarako amin’ny Zanak’Israely izy ireo ary Izaho hitahy azy.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

27 Rehefa hanonona ny anarako amin’ny Israelita toy izany ny mpisorona, dia hitahy azy tokoa Aho.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

27 Rehefa hanonona ny anarako amin’ny Israelita toy izany ny mpisorona, dia hitahy azy tokoa Aho.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

27 Dia hametraka ny anarako amin’ny Zanak’Isiraely izy; ary Izaho hitahy azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

27 Dia hametraka ny anarako amin'ny Zanak'Isiraely izy; ary Izaho hitahy azy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

27 Dia hametraka ny anarako amin’ny Zanak’Israely izy ireo ary Izaho hitahy azy.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 6:27
19 Rohy Ifampitohizana  

Dia hoy izy tamin’i Jakôba: «Avelao aho handeha, fa efa hazava ratsy ity ny andro.» Fa hoy i Jakôba: «Tsy avelako handeha ianao raha tsy efa nitso-drano ahy.»


Dia mba nanontany azy kosa i Jakôba nanao hoe: «Masìna ianao, mba ampahalalao ahy kely ny Anaranao.» Fa hoy izy: «Ahoana no anontanianao ny Anarako?» Dia nitso-drano azy teo izy.


Aiza izay firenena eto ambonin’ny tany tahaka ny vahoakanao, tahaka an’i Israely, fa Andriamanitra no tonga hanavotra azy, mba ho vahoakany, hahalaza ny Anarany, hanao zava-dehibe ho Anao, ary hanao famantarana ho an’ny taninao, tamin’ny nandroahanao ireo firenena mbamin’ny andriamaniny teo anoloan’ny vahoakanao izay navotanao tamin’i Ejipta.


Niantso ny Andriamanitr’i Israely i Jabesa nanao hoe: «Raha mitahy ahy Ianao, ka halalahinao ny faritaniko, ary momba ahy ny tananao, sy arovanao amin’ny loza aho mba tsy ho zoim-pahoriana...» Ary nomen’Andriamanitra azy izay nangatahiny.


raha manetry tena sy mivavaka ary mitady ny tavako ny vahoakako, izay iantsoana ny Anarako, ka miala amin’ny lalan-dratsiny, dia hihaino azy Aho any an-danitra, hamela ny fahotany Aho, sady hahasitrana ny taniny.


Dia hifaly kosa izay rehetra miantehitra Aminao; hafaliana tsy mety tapaka ny azy; dia hiaro azy Ianao; hibitabitaka amin-kafaliana izay tia ny Anaranao.


Efa nahavokatra ny tany; hotahin’Andriamanitra, dia ny Andriamanitsika, anie isika!


Efa niseho tamin’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba ho Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra Aho; fa mbola tsy nanambara Ahy taminy Aho araka ny Anarako hoe Iaveh.


dia izay rehetra mitondra ny Anarako, izay noarîko ho voninahitro sy noforoniko ary nataoko.»


Nahoana Ianao no ho tahaka ny olona very hevitra, tahaka ny lehilahy mahery tsy afa-manafaka? Kanefa eto afovoanay no itoeranao, ry Iaveh; ny Anaranao no antsoina hiaro anay; aza dia ilaozanao izahay! -


Indro efa nahazo teny hitso-drano aho; Izy efa nitso-drano, ka tsy hanova izany aho.


koa mandehana ianareo, mampianara ny firenena rehetra, manaova Batemy azy amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina;


Hisaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, Izay nitso-drano antsika tao amin’i Kristy, amin’ny tso-drano rehetra ara-panahy any an-danitra,


dia ho hitan’ny firenena rehetra fa antsoina aminao ny Anaran’i Iaveh ka hatahotra anao izy ireo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra