Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 22:8 - Baiboly Katolika

ary hoy i Balaama taminy: «Mandria atỳ anio alina, fa omeko valiny, araka izay hambaran’i Iaveh amiko ianareo.» Dia tafajanona tao amin’i Balaama ireo andriandahin’i Moaba.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary hoy i Balama taminy: Mandria atỳ anio alina, dia hamaly ny teninareo aho, araka izay holazain’NY TOMPO amiko. Dia nitoetra tao amin’i Balama ireo andriandahin’i Moaba.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ary hoy i Balahama tamin’ny iraka: –Mandria eto anio alina ianareo fa homeko valin-teny araka izay holazain’ny TOMPO amiko. Dia nijanona tao amin’i Balahama ireo olo-manan-kajan’i Môaba.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ary hoy i Balahama tamin’ny iraka: –Mandria eto anio alina ianareo fa homeko valin-teny araka izay holazain’ny TOMPO amiko. Dia nijanona tao amin’i Balahama ireo olo-manan-kajan’i Môaba.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary hoy Balama taminy: Mandria atỳ anio alina, dia hamaly ny teninareo aho, araka izay holazain’i Jehovah amiko. Dia nitoetra tao amin’i Balama ireo andriandahin’i Moaba.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary hoy Balama taminy: Mandria atỳ anio alina, dia hamaly ny teninareo aho, araka izay holazain'i Jehovah amiko. Dia nitoetra tao amin'i Balama ireo andrian-dahin'i Moaba.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary hoy i Balama taminy: Mandria atỳ anio alina, dia hamaly ny teninareo aho, araka izay holazain’NY TOMPO amiko. Dia nitoetra tao amin’i Balama ireo andriandahin’i Moaba.

Jereo ny toko



Nomery 22:8
13 Rohy Ifampitohizana  

Fa hoy ity olon’Andriamanitra tamin’ny mpanjaka: «Na dia omenao ny antsasaky ny tranonao aza aho, dia tsy hiara-miditra aminao, sady tsy hihina-mofo na hisotro rano amin’ity fitoerana ity aho,


Fa hoy ny navalin’i Mikea: «Velona i Iaveh! Dia izay holazain’i Iaveh amiko ihany no hambarako koa.»


Ambolenao izy, dia latsa-paka, mitombo, mamoa; akaiky ny vavany ianao, fa lavitra ny fony.


Ary dia mankao aminao izy ireo toy ny fiavin’ny vahoaka be; mipetraka eo anatrehanao ny vahoakanao; mihaino ny teninao, nefa tsy manatanteraka izany, fa izay ankasitrahin’ny vavany no ataony, ny filan-karena no arahin’ny fony.


ary hoy izy hoe: «Henoy tsara izao teniko izao: Raha misy mpaminanin’i Iaveh eo aminareo, dia fahitana no hisehoako aminy, ary nofy no hitenenako aminy.


Dia namaly i Balaama, ka nanao tamin’ny mpanompon’i Balàka hoe: «Na omen’i Balàka volafotsy sy volamena eran’ny tranony aza aho, dia tsy mahazo mandika ny tenin’i Iaveh Andriamanitro aho, ka hanao zavatra na kely na lehibe.


Hoy i Balaama tamin’i Balàka: «Indro aho mankatỳ aminao; fa ankehitriny moa ho afa-milaza na inona na inona va aho? Ny teny hataon’Andriamanitra ao am-bavako no holazaiko.»


Niainga ny loholon’i Moaba sy ny loholon’i Madiàna, nataony an-tanana ny tambin’ilay mpanandro. Nony tonga tany amin’i Balaama izy ireo, dia nambarany azy ny tenin’i Balàka,


Ary tonga tamin’i Balaama Andriamanitra ka nanao hoe: «Iza moa ireto olona ato aminao ireto?»


Fa hoy ny navaliny nanao hoe: «Moa tsy tokony hotandremako va ny hilaza izay ataon’i Iaveh ato am-bavako?»


Hoy i Balaama tamin’i Balàka: «Mitoera ianao eo anilan’ny sorona dorana, fa izaho kosa hihataka; angamba ho avy hihaona amiko i Iaveh, ary na inona na inona hasehony amiko, dia holazaiko anao.» Dia lasa izy nankany amin’ny havoana anankiray mangadihady.


Na dia homen’i Balàka volafotsy sy volamena eran’ny tranony aza aho, dia tsy hahazo mandika ny tenin’i Iaveh, ka hanao na inona na inona, na soa na ratsy amin’ny nahim-poko, fa izay holazain’i Iaveh ihany no holazaiko.