Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 20:4 - Baiboly Katolika

Ahoana re no dia nitondranareo ny fiangonan’i Iaveh amin’ity efitra ity, mba hahafatesanay ato, izahay sy ny biby fiompinay?

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa nahoana no nitondra ny fiangonan’NY TOMPO ho amin’ity tany efitra ity ianareo mba hahafaty anay sy ny ombinay eto?

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Fa nahoana no nentinareo atỳ an-taniefitra izahay fiangonan’ny TOMPO? Mba hahafaty anay sy ny biby fiompinay atỳ ve?

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Fa nahoana no nentinareo atỳ an-taniefitra izahay fiangonan’ny TOMPO? Mba hahafaty anay sy ny biby fiompinay atỳ ve?

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa nahoana no nitondra ny fiangonan’i Jehovah ho amin’ity efitra ity hianareo, mba hahafaty anay sy ny ombinay eto?

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa nahoana no nitondra ny fiangonan'i Jehovah ho amin'ity efitra ity ianareo, mba hahafaty anay sy ny ombinay eto?

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa nahoana no nitondra ny fiangonan’NY TOMPO ho amin’ity tany efitra ity ianareo mba hahafaty anay sy ny ombinay eto?

Jereo ny toko



Nomery 20:4
13 Rohy Ifampitohizana  

Nohadinoiny Andriamanitra Mpamonjy azy, izay nanao zava-dehibe tany Ejipta,


Hoy ny zanak’i Israely tamin’izy ireo hoe: «Inay anie izahay mba matin’ny tanan’i Iaveh tany an-tany Ejipta, raha ilay nipetraka teo anelanelan’ny vilany feno hena sy nihinana mofo mandrapahavoky iny izahay; fa izao kosa nentinareo atỳ an’efitra izahay mba hahafaty mosary izao vahoaka be izao.»


Teo ihany anefa ny vahoaka main’ny hetaheta, ka nimonomonona tamin’i Môizy nanao hoe: «Ahoana no nampiakaranao anay hiala tany Ejipta, hahafatin’ny hetaheta anay sy ny zanakay mbamin’ny bibinay?»


ka nilaza taminy hoe: «Aoka i Iaveh no hahita anareo sy hitsara; fa ny fitia azonay tamin’i Faraôna sy ny mpanompony nataonareo mody halavolo, ary notoloranareo sabatra eo an-tanany izy hamonoana anay.»


fa hatramin’ny iray volana maninjitra, dia mandra-pivoakany amin’ny vavoronareo, sy hampaharikoriko anareo; satria ianareo efa nitsipaka an’i Iaveh izay eo afovoanareo, sy nitomany teo anatrehany nanao hoe: Naninona re no nivoaka tany Ejipta foana izahay?»


Tsaroanay izany hazandrano, nohaninay maimaim-poana tany Ejipta, ny voatango, ny voanketsihetsy, ny tongolobe sy ny tongolon-kova.


Nimonomonona tamin’i Môizy sy i Aarôna ny zanak’i Israely rehetra, ka hoy ny fiangonana rehetra tamin’izy ireo: «Inay anie izahay maty tany an-tany Ejipta, na inay anie izahay maty atỳ amin’ity efitra ity.


«Io ilay Môizy nolaviny sy nataony hoe: ‹Iza moa no nanendry an’ialahy ho mpifehy sy mpitsara?› Kanjo izy ihany no nirahin’Andriamanitra ho mpifehy sy mpanavotra, nomban’ilay Anjely niseho taminy tao amin’ny hazo kely milobolobo.


Fa nony niakatra avy tany Ejipta i Israely, dia nandeha tany an’efitra, hatreo amin’ny Ranomasina Mena, ka tonga tany Kadesy.