Ny lafiny atsimo handroso mianatsimo hatrany Tamara ka hatrany amin’ny ranon’i Meribà any Kadesa, dia ny lohasahan-driaka mivarina mankany amin’ny ranomasina lehibe. Izany no lafiny atsimo mankany amin’ny Negeba.
Nomery 20:22 - Baiboly Katolika Niala tao Kadesy ny zanak’i Israely, ny fiangonana manontolo, dia tonga tao an-tendrombohitra Hora. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia niala tao Kadesy ny Zanak’Israely, dia ny fiangonana manontolo, ka tonga tao amin’ny tendrombohitra Hora. DIEM PROTESTANTA Dia niala tao Kadesy ny fiangonan’i Israely iray manontolo ka tonga tao amin’ny tendrombohitra Hôra, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia niala tao Kadesy ny fiangonan’i Israely iray manontolo ka tonga tao amin’ny tendrombohitra Hôra, Baiboly Protestanta Malagasy ARY nifindra ny Zanak’Isiraely, dia ny fiangonana rehetra, ka niala tany Kadesy ary tonga tao antendrombohitra Hora. Malagasy Bible Ary nifindra ny Zanak'Isiraely, dia ny fiangonana rehetra, ka niala tany Kadesy ary tonga tao an-tendrombohitra Hora. La Bible en Malgache Dia niala tao Kadesy ny Zanak’Israely, dia ny fiangonana manontolo, ka tonga tao amin’ny tendrombohitra Hora. |
Ny lafiny atsimo handroso mianatsimo hatrany Tamara ka hatrany amin’ny ranon’i Meribà any Kadesa, dia ny lohasahan-driaka mivarina mankany amin’ny ranomasina lehibe. Izany no lafiny atsimo mankany amin’ny Negeba.
Ny sisin-tany, amin’ny lafin’ny Negeba manolotra ny sisin-tanin’i Gada, dia hatrany Tamara no mankany amin’ny ranon’i Meribà any Kadesa, sy ny lohasahan-driaka mivarina amin’ny ranomasina lehibe, no ho faritry ny tany.
Tonga izy, dia nanatona an’i Môizy sy i Aarôna, mbamin’ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra, tao Kadesy tany an’efitra Faràna. Nanao filazana taminy sy tamin’ny fiangonana rehetra izy ireo ary naneho ny vokatry ny tany taminy.
Tonga tao amin’ny efitra Sina, tamin’ny volana voalohany, ny zanak’i Israely, dia ny fiangonana manontolo, ary tao Kadesy no nitoetra ny vahoaka. Tao no nahafatesan’i Maria sy nandevenana azy. Fa ny hany teo akaikin’ny Fiara, dia ny Levita sy Hebrio sasantsasany ihany.
Avy ao Kadesy no nandefasan’i Môizy iraka tamin’ny mpanjakan’i Edôma, hilaza aminy hoe: «Izao no lazain’i Israely, rahalahinao: Fantatrao ny fahoriana rehetra niaretanay.
Dia nitaraina tamin’i Iaveh izahay, ary nihaino ny feonay Izy; naniraka Anjely Izy ary nitondra anay nivoaka tany Ejipta. Ary indreto izahay izao dia eto Kadesy, tanàna amin’ny faritry ny taninao.
Niala tany an-tendrombohitra Hora izy ireo, dia nihazo ny lalan’ny Ranomasina Mena, hanodidina ny tanin’i Edôma. Namoifo tsy niaritra ny vahoaka tamin’io lalana io,
Izao no sisin-taninareo amin’ny avaratra. Avy ao amin’ny ranomasina Lehibe, dia hofaritanareo mihazo any an-tendrombohitra Hôra;