Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 20:21 - Baiboly Katolika

Nolavin’i Edôma tsy handalo ny faritaniny i Israely, ka dia nivily niala taminy i Israely.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Toy izany no nandavan’ny Edomita tsy hamela ny Israelita hamakivaky ny taniny ka nivily niala taminy ny Zanak’Israely.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Toy izany no tsy namelan’i Edômita ny Israelita handalo eo amin’ny taniny; koa dia lalan-kafa no nizorany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Toy izany no tsy namelan’i Edômita ny Israelita handalo eo amin’ny taniny; koa dia lalan-kafa no nizorany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Toy izany no nandavan’ny Edomita ka tsy namela ny Isiraely hamaky ny taniny, ka dia nivily niala taminy ny Zanak’Isiraely.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Toy izany no nandavan'ny Edomita ka tsy namela ny Isiraely hamaky ny taniny, ka dia nivily niala taminy ny Zanak'Isiraely.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Toy izany no nandavan’ny Edomita tsy hamela ny Israelita hamakivaky ny taniny ka nivily niala taminy ny Zanak’Israely.

Jereo ny toko



Nomery 20:21
10 Rohy Ifampitohizana  

Ankehitriny, indreo ny taranak’i Amôna sy i Moaba mbamin-dry zareo avy any an-tendrombohitra Seira, izay tsy navelanao hidiran’i Israely fony izy avy any amin’ny tany Ejipta, ka nivily izy, fa tsy nandrava azy.


Tsy navelan’i Sehôna handalo ny faritaniny i Israely, fa nanangona ny vahoakany rehetra izy, ka nivoaka hitsena an’i Israely, tany an’efitra; dia tonga tany Jasà ary rafitra ady tamin’i Israely.


Niala tany an-tendrombohitra Hora izy ireo, dia nihazo ny lalan’ny Ranomasina Mena, hanodidina ny tanin’i Edôma. Namoifo tsy niaritra ny vahoaka tamin’io lalana io,


Aoka mba hamaky ny taninao aho, dia homba ny lalam-be fotsiny, fa tsy hivily na ho amin’ny ankavanana, na ho amin’ny ankavia.


Efa nanao izany tamiko ny taranak’i Esao monina any Seira, sy ny Moabita monina any Ara mandra-pitàko an’i Jordany, ho any amin’ny tany omen’i Iaveh Andriamanitray anay.


Aza mankahala ny Edômita, fa rahalahinao izy; aza mankahala ny Ejiptianina, fa efa vahiny tany amin’ny taniny ianao:


Nandefa iraka ho any amin’ny mpanjakan’i Edôma i Israely, tamin’izay, hilaza aminy hoe: Raha sitrakao, avelao mba hamaky ny taninao aho; nefa tsy nanaiky ny mpanjakan’i Edôma. Dia naniraka tany amin’ny mpanjakan’i Moaba indray izy, fa tsy nanaiky koa io, ka dia tao Kadesy i Israely.


Rehefa izany, namaky ny efitra izy, ka nanodidina ny tany Edôma sy ny tany Moaba, dia tonga tany atsinanan’ny tany Moaba. Dia nitoby tany an-dafin’i Arnôna izy ireo fa tsy nandroso tamin’ny faritr’i Moaba, fa i Arnôna no faritr’i Moaba.


Moa tsy mipetraka ho tompon’izay nomen’i Kamosy andriamanitrao anao ho fanananao va ianao? Ary izahay moa tsy tokony hipetraka ho tompon’izay rehetra nomen’i Iaveh Andriamanitray anay ho fanananay?