Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 19:21 - Baiboly Katolika

Lalàna mandrakizay ho azy ireo izany. Izay mamafy ny rano manafaka ny loto, dia hanasa ny fitafiany; ary izay mikasika ny rano manafaka ny loto, dia haloto mandra-paharivan’ny andro.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ho lalàna maharitra ho anareo izany, fa izay mamafy ny rano fanadiovana dia hanasa ny fitafiany; ary izay mikasika ny rano fanadiovana koa dia haloto mandra-paharivan’ny andro.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

«Ho lalàna raikitra ho an’ny Israelita izany. Izay manao fafy rano amin’io rano fanadiovana io dia hanasa ny fitafiany; ary izay mikasika io rano fandiovana io dia haloto mandra-paharivan’ny andro.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

«Ho lalàna raikitra ho an’ny Israelita izany. Izay manao fafy rano amin’io rano fanadiovana io dia hanasa ny fitafiany; ary izay mikasika io rano fandiovana io dia haloto mandra-paharivan’ny andro.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia ho lalàna mandrakizay aminy izany, fa izay mamafy ny rano fanadiovana dia hanasa ny fitafiany; ary izay mikasika ny rano fanadiovana dia haloto mandra-paharivan’ny andro.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia ho lalàna mandrakizay aminy izany, fa izay mamafy ny rano fanadiovana dia hanasa ny fitafiany; ary izay mikasika ny rano fanadiovana dia haloto mandra-paharivan'ny andro.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ho lalàna maharitra ho anareo izany, fa izay mamafy ny rano fanadiovana dia hanasa ny fitafiany; ary izay mikasika ny rano fanadiovana koa dia haloto mandra-paharivan’ny andro.

Jereo ny toko



Nomery 19:21
12 Rohy Ifampitohizana  

Ao an-trano lay fihaonana, ivelan’ny efitra lamba anoloan’ny vavolombelona, no hanamboaran’i Aarôna sy ny zanany avy, hirehetany eo anatrehan’i Iaveh hatramin’ny hariva ka hatramin’ny maraina. Lalàna mandrakizay izany ho an’ny zanak’i Israely, hatramin’ny taranaka mifandimby.»


ary na zovy na zovy hitondra tapaky ny fatiny dia hanasa ny fitafiany sy haloto mandra-paharivan’ny andro.


ary izay mihinana ny fatiny, hanasa ny fitafiany sy haloto mandra-paharivan’ny andro; izay hitondra ny fatiny dia hanasa ny fitafiany sy haloto mandra-paharivan’ny andro.


Ny Levita ihany no hanao ny raharahan’ny trano lay fihaonana, dia izy no hitondra ny helony. Ho lalàna mandrakizay amin’ny taranakareo, no tsy hananany lova eo afovoan’ny zanak’i Israely.


Izay nanangona ny lavenon’ny ombivavy dia hanasa ny lambany, ary haloto mandra-paharivan’ny andro. Lalàna mandrakizay izany ho an’ny zanak’i Israely sy ho an’ny vahiny mitoetra eo aminy.»


Dia hosasan’ny mpisorona ny fitafiany ary hampandroiny amin’ny rano ny tenany; manaraka izany, dia hiditra eo an-toby izy, ka haloto mandra-paharivan’ny andro.


Izay nandoro ny omby dia hanasa ny fitafiany amin’ny rano, ary hampandro ny tenany amin’ny rano, ary haloto mandra-paharivan’ny andro.


satria aiza izay ran-janak’omby sy ran’osilahy no hahafaka ny fahotana?


satria tsy nahalavorary na inona na inona ny Lalàna - ka nampidirana fanantenana tsaratsara kokoa, izay anatonantsika an’Andriamanitra.


fa naman’ny hanina, sy fisotro ary fidiovana samihafa fotsiny, dia fitsipika momba ny nofo ihany, ary voadidy ambara-piavin’ny andro fanoloana azy ihany.