Eo amin’izay toerana madio koa no hihinananao sy ny zanakao lahy aman-janakao vavy, ny tratrany nahevaheva sy ny feny navahana, fa ireo didiny ireo dia omena ho anjaranao sy anjaran’ny zanakao, avy amin’ny sorom-pihavanana ataon’ny zanak’i Israely.
Nomery 18:11 - Baiboly Katolika Izao koa no ho anao: ny zavatra rehetra voaavaka amin’ny fanomezany, dia amin’ny fanatitra ahevaheva rehetra avy amin’ny zanak’i Israely, omeko anao sy ny zanakao lahy ary ny zanakao vavy miaraka aminao ho lalàna mandrakizay; na iza na iza madio ao an-tranonao, dia hihinana amin’izany avokoa. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Izao koa no anjaranao: Ny anjara nalaina avy tamin’ny zavatra nomeny ho fanatitra dia ny fanatitra asandratra rehetra izay atolotry ny Zanak’Israely; efa nomeko ho anao sy ny zanakao lahy ary ny zanakao vavy koa izany ho lalàna maharitra. Izay rehetra madio amin’ny ankohonanao no mahazo mihinana izany. DIEM PROTESTANTA Ary ireto koa dia ho anareo: ireo ampahany nalana tamin’ny fanomezan’ny Israelita, dia ny fanatitra rehetra ahevaheva; omeko ho anjara raikitra ho anao sy ny taranakao lahy sy vavy izany. Izay rehetra madio ao amin’ny ankohonanareo dia mahazo mihinana izany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary ireto koa dia ho anareo: ireo ampahany nalana tamin’ny fanomezan’ny Israelita, dia ny fanatitra rehetra ahevaheva; omeko ho anjara raikitra ho anao sy ny taranakao lahy sy vavy izany. Izay rehetra madio ao amin’ny ankohonanareo dia mahazo mihinana izany. Baiboly Protestanta Malagasy Ary izao koa no ho anao: ny zavatra omeny ho fanatitra, dia ny fanatitra ahevaheva rehetra aterin’ny Zanak’Isiraely; efa nomeko ho anao sy ny zanakao-lahy ary ny zanakao-vavy koa izany ho anjara mandrakizay; izay rehetra madio amin’ny ankohonanao no mahazo mihinana izany. Malagasy Bible Ary izao koa no ho anao: ny zavatra omeny ho fanatitra, dia ny fanatitra ahevaheva rehetra aterin'ny Zanak'Isiraely; efa nomeko ho anao sy ny zanakao-lahy ary ny zanakao-vavy koa izany ho anjara mandrakizay; izay rehetra madio amin'ny ankohonanao no mahazo mihinana izany. La Bible en Malgache Izao koa no anjaranao: Ny anjara nalaina avy tamin’ny zavatra nomeny ho fanatitra dia ny fanatitra asandratra rehetra izay atolotry ny Zanak’Israely; efa nomeko ho anao sy ny zanakao lahy ary ny zanakao vavy koa izany ho lalàna maharitra. Izay rehetra madio amin’ny ankohonanao no mahazo mihinana izany. |
Eo amin’izay toerana madio koa no hihinananao sy ny zanakao lahy aman-janakao vavy, ny tratrany nahevaheva sy ny feny navahana, fa ireo didiny ireo dia omena ho anjaranao sy anjaran’ny zanakao, avy amin’ny sorom-pihavanana ataon’ny zanak’i Israely.
Dia samy hanolorana anankiray avy ireo fanatitra ireo natokana ho an’i Iaveh, dia ho an’ny mpisorona izay hamafy ny ran’ny sorom-pihavanana izany.
Hoy i Iaveh tamin’i Aarôna: «Ianao sy ny zanakao ary ny fianakavian-drainao miaraka aminao no hitondra ny heloka momba ny fitoerana masina; ianao sy ny zanakao miaraka aminao no hitondra ny heloka momba ny fisoronanareo.
Amin’ny toerana masina indrindra no hihinananareo azy, ny lehilahy rehetra no mihinana azy; masina ho anao izany.
Izay rehetra voaavaka avy amin’ny zavatra masina, izay avahan’ny zanak’i Israely ho an’i Iaveh, dia omeko anao sy ny zanako lahy ary ny zanakao vavy miaraka aminao, ho lalàna mandrakizay, fanekena voasira mandrakizay eo anatrehan’i Iaveh izany, ho aminao sy ny taranakao miaraka aminao.»
Ary hoy i Iaveh tamin’i Aarôna: «Indro omeko anao ny fizakana ny zavatra rehetra voaavaka ho Ahy, dia ny zava-drehetra voatokana avy amin’ny zanak’i Israely. Ny fanosorana anao no antony anomezako izany ho anao sy ny zanakao ho lalàna mandrakizay.
Izao no anjaran’ny mpisorona avy amin’ny vahoaka amin’izay misorona omby na ondry: omena ny mpisorona ny sorony sy ny valanoranony ary ny vavoniny.