Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 17:4 - Baiboly Katolika

Dia nalain’i Eleazara mpisorona ny fanembohana varahina naterin’ireo olona levon’ny afo, ka nofisahiny ho takelaka handrakofana ny ôtely.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary nalain’i Eleazara mpisorona ireo fitondrana afo varahina izay nanoloran’ireo olona may ireo ka nofisahiny ho takelaka hapetaka amin’ny alitara

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Nalain’i Elehazara mpisorona ny fitaovam-panembohana halimo izay an’ireo olona nodorana velona ireo, ka nofisahiny ho takelaka handrakofana ny alitara.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nalain’i Elehazara mpisorona ny fitaovam-panembohana halimo izay an’ireo olona nodorana velona ireo, ka nofisahiny ho takelaka handrakofana ny alitara.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary nalain’i Eleazara mpisorona ny fitondran-afo varahina, izay efa nanateran’ireo olona may ireo, ka nofisahiny ho takelaka hapetaka amin’ny alitara

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary nalain'i Eleazara mpisorona ny fitondran'afo varahina, izay efa nanateran'ireo olona may ireo, ka nofisahiny ho takelaka hapetaka amin'ny alitara

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary nalain’i Eleazara mpisorona ireo fitondrana afo varahina izay nanoloran’ireo olona may ireo ka nofisahiny ho takelaka hapetaka amin’ny alitara

Jereo ny toko



Nomery 17:4
7 Rohy Ifampitohizana  

Torotoroy hanjary vovony izy, dia ametraho eo anoloan’ny vavolombelona ao an-trano lay fihaonana izay hihaonako aminao. Ho zava-masina indrindra izany.


Io ôtely io dia hapetrakao manatrika ny efitra lamba izay eo anoloan’ny fiaran’ny vavolombelona, manatrika ny fanaovam-panavotana izay eo ambonin’ny vavolombelona, dia eo amin’izay hihaonako aminao.


«Mialà ianareo eo afovoan’ity fiangonana ity, handringanako azy indray mihelina.» Dia niankohoka tamin’ny tany izy.


Aoka ny fanembohan’ireo olona nanota nihatra amin’ny ainy ireo, hofisahina ho takelaka manify mba handrakofana ny ôtely, fa efa naterina eo anatrehan’i Iaveh ireny, ka tonga zava-masina; dia ho famantarana ho an’ny zanak’i Israely izany.»


Fa raha ilay nivory hanohitra an’i Môizy sy Aarôna iny ny fiangonana, dia nitodika ny trano lay fihaonana i Môizy sy i Aarôna, ka indro fa nanarona an’io ny rahona ary ny voninahitr’i Iaveh niseho.