Ary tamin’izany andro izany dia nisy ny Rapeton’olona teto ambonin’ny tany, dia rehefa nankamin’ny zanaka vavin’ny olombelona ny zanak’Andriamanitra, sy efa nahary zaza taminy. Ary ireny no olo-mahery nalaza hatrizay ela izay.
Nomery 16:2 - Baiboly Katolika ary nikomy teo anatrehan’i Môizy izy ireo, dia lehilahy 250 amin’ny zanak’i Israely, filohan’ny fiangonana, sy voafidy hanatrika ny fivorian’ny mpanolo-tsaina ary olona manan-daza. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 niaraka tamin’ny dimampolo sy roanjato lahy tamin’ny Zanak’Israely, izay samy lohan’ny fiangonana avokoa, dia olona izay voaantso teo amin’ny fiangonana sady nanan-daza. DIEM PROTESTANTA hikomy amin’i Mosesy. Nanampy azy ireo tamin’izany ny Israelita miisa 250 izay samy lohandoham-piangonana sady olom-boafidy ary manan-daza. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara hikomy amin’i Mosesy. Nanampy azy ireo tamin’izany ny Israelita miisa 250 izay samy lohandoham-piangonana sady olom-boafidy ary manan-daza. Baiboly Protestanta Malagasy ka nitsangana teo anatrehan’i Mosesy izy ireo sy ny Zanak’Isiraely dimam-polo amby roan-jato, izay samy lohan’ny fiangonana avokoa, dia olona voafidin’ny fiangonana sady nanan-daza; Malagasy Bible ka nitsangana teo anatrehan'i Mosesy izy ireo sy ny Zanak'Isiraely dimam-polo amby roan-jato, izay samy lohan'ny fiangonana avokoa, dia olona voafidin'ny fiangonana sady nanan-daza; La Bible en Malgache niaraka tamin’ny dimampolo sy roanjato lahy tamin’ny Zanak’Israely, izay samy lohan’ny fiangonana avokoa, dia olona izay voaantso teo amin’ny fiangonana sady nanan-daza. |
Ary tamin’izany andro izany dia nisy ny Rapeton’olona teto ambonin’ny tany, dia rehefa nankamin’ny zanaka vavin’ny olombelona ny zanak’Andriamanitra, sy efa nahary zaza taminy. Ary ireny no olo-mahery nalaza hatrizay ela izay.
Tamin’ny taranak’i Efraima, 20.800, samy lehilahy mahery sy malaza any amin’ny fianakavian-drainy avy.
Ireto no lohany amin’ny fianakaviany: i Efera, i Jesì, i Ezriela, i Jirmeià, i Odoià, ary i Jedihela, lehilahy matanjaka sy mahery, lehilahy malaza, lohan’ny fokom-pianakaviany avy.
Nanehoeho laza hatrany amin’ny firenena ny anaranao noho ny hatsaran-tarehinao, fa lavorary loatra izy, noho ny famirapiratako nataratro taminao, - teny marin’ny Tompo Iaveh. -
Nampitanjaka azy izy ireo, nahalasa ny zanany lahy aman-janany vavy; namono azy io tamin’ny sabatra, ka tonga nalaza ratsy tamin’ny vehivavy izy fa niharan’ny fitsarana.
Ireo no voafidy tamin’ny fiangonana. Lohan’ny firenena avy amin’ny razany izy sy mpifehy arivo amin’i Israely.»
Ary i Maria mbamin’i Aarôna nanome tsiny an’i Môizy noho ny amin’ny vehivavy Kosita izay efa nalainy ho vady, fa nanambady vehivavy kosita izy.
Ary nisy afo nivoaka avy ao akaikin’i Iaveh nandevona ireo 250 lahy nanatitra zava-manitra.
Zanak’i Eliaba dia i Manoela sy i Datàna ary i Abirôna. Ireo ilay Datàna sy Abirôna, isan’ny mpanolo-tsaina, nikomy tamin’i Môizy sy i Aarôna tanatin’ny tarik’i Kôre, fony izy nikomy tamin’i Iaveh,
«Maty tany an’efitra ny rainay; izy tsy mba anatin’ilay antokony, izay niray tetika hiodina amin’i Iaveh, dia ny antokon’i Kôre, fa maty noho ny fahotany izy, ary tsy mba nanan-janakalahy izy.