Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 16:2 - DIEM PROTESTANTA

2 hikomy amin’i Mosesy. Nanampy azy ireo tamin’izany ny Israelita miisa 250 izay samy lohandoham-piangonana sady olom-boafidy ary manan-daza.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 niaraka tamin’ny dimampolo sy roanjato lahy tamin’ny Zanak’Israely, izay samy lohan’ny fiangonana avokoa, dia olona izay voaantso teo amin’ny fiangonana sady nanan-daza.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 hikomy amin’i Mosesy. Nanampy azy ireo tamin’izany ny Israelita miisa 250 izay samy lohandoham-piangonana sady olom-boafidy ary manan-daza.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

2 ary nikomy teo anatrehan’i Môizy izy ireo, dia lehilahy 250 amin’ny zanak’i Israely, filohan’ny fiangonana, sy voafidy hanatrika ny fivorian’ny mpanolo-tsaina ary olona manan-daza.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 ka nitsangana teo anatrehan’i Mosesy izy ireo sy ny Zanak’Isiraely dimam-polo amby roan-jato, izay samy lohan’ny fiangonana avokoa, dia olona voafidin’ny fiangonana sady nanan-daza;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 ka nitsangana teo anatrehan'i Mosesy izy ireo sy ny Zanak'Isiraely dimam-polo amby roan-jato, izay samy lohan'ny fiangonana avokoa, dia olona voafidin'ny fiangonana sady nanan-daza;

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

2 niaraka tamin’ny dimampolo sy roanjato lahy tamin’ny Zanak’Israely, izay samy lohan’ny fiangonana avokoa, dia olona izay voaantso teo amin’ny fiangonana sady nanan-daza.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 16:2
10 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’izany fotoana izany no nisian’ireo rapeton’olona goavambe teto an-tany, ary mbola nisy koa aza tonga taty aoriana izay teraka avy tamin’ny fifanambadian’ireo zanakalahin’andriamanitra sy ny zanakavavin’ny olombelona. Izy ireny no olo-mahery sady lehilahy nanan-daza fahagola.


Tamin’ny taranak’i Benjamîna, mpiray foko amin’i Saoly, dia nisy telo arivo lahy; ka ny ankamaroan’ireo, talohan’izao, dia mpikarakara ny ankohonan’i Saoly.


Ny loham-pianakaviany dia i Hefera sy i Jisehỳ, i Eliela sy i Hazriela mbamin’i Jeremià sy i Hôdavià ary i Jahediela: lehilahy mahery sy olo-malaza ireo sady samy lohan’ny fianakaviany avy.


Niely eran’izao tontolo izao ny lazanao noho ny hatsaran-tarehinao, fa tena kanto ianao satria nohaingoiko fatratra. Teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.»


Koa naboridany tanteraka izy, ary novonoiny ho faty tamin’ny sabatra; fa ny zanany lahy sy vavy kosa nentiny. Niharan’ny famaizana izy mba hatao ohatra ho an’ny vehivavy hafa.»


Ireo no filoham-pianakaviana voafidin’ny fiangonana sady filohan’ny miaramilan’i Israely ihany koa.


Nanome tsiny an’i Mosesy i Miriama sy i Aharôna noho ny nanambadiany vehivavy kosita, fa nampakatra vehivavy kosita tokoa izy.


Ary nisy afo nalefan’ny TOMPO izay nandoro velona ireo lehilahy 250 nanatitra vovo-javamanitra.


izay rain’i Nemoela sy i Datàna ary i Abirama. Ireo Datàna sy i Abirama ireo no solotenan’ny Fiangonana izay nanohitra an’i Mosesy sy i Aharôna; niaraka tamin’ny tarik’i Kôra izy roa lahy raha nikomy tamin’ny TOMPO izy ireo.


–Maty tany an-taniefitra ny rainay, nefa tsy mba isan’ny tarik’i Kôra izay niara-nioko hiodina tamin’ny TOMPO; fa matin’ny fahotany ihany izy, nefa tsy nanan-janakalahy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra