Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 16:16 - Baiboly Katolika

Hoy i Môizy tamin’i Kôre: «Rahampitso ianao sy ny tarikao rehetra mitoera eo anatrehan’i Iaveh, dia izy ireo sy ianao mbamin’i Aarôna.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia hoy i Mosesy tamin’i Kora: Aoka ianao sy ny antokonao rehetra ho tonga eo anatrehan’NY TOMPO rahampitso, dia ianao sy ireo namanao ary i Arona.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Dia hoy i Mosesy tamin’i Kôra: –Tongava eo anatrehan’ny TOMPO ianao sy ny namanao rahampitso miaraka amin’i Aharôna.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia hoy i Mosesy tamin’i Kôra: –Tongava eo anatrehan’ny TOMPO ianao sy ny namanao rahampitso miaraka amin’i Aharôna.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia hoy Mosesy tamin’i Kora: Aoka hianao sy ny namanao rehetra ho tonga eo anatrehan’i Jehovah rahampitso, dia hianao sy ireo ary Arona.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia hoy Mosesy tamin'i Kora: Aoka ianao sy ny namanao rehetra ho tonga eo anatrehan'i Jehovah rahampitso, dia ianao sy ireo ary Arona.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia hoy i Mosesy tamin’i Kora: Aoka ianao sy ny antokonao rehetra ho tonga eo anatrehan’NY TOMPO rahampitso, dia ianao sy ireo namanao ary i Arona.

Jereo ny toko



Nomery 16:16
8 Rohy Ifampitohizana  

Ary hoy i Môizy tamin’i Aarôna: «Lazao amin’ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra hoe: Manatòna eo anatrehan’i Iaveh ianareo, fa efa reny ny fimonomononanareo.»


Niteny tampoka tamin’i Môizy sy i Aarôna ary i Maria i Iaveh nanao hoe: «Mivoaha ianareo telo mianadahy ho any an-trano lay fihaonana.» Dia nivoaka daholo izy telo mianadahy.


Tezitra indrindra i Môizy, ka hoy izy tamin’i Iaveh: «Aza asianao raharaha akory izay fanatitr’ireo, fa tsy mba naka tamin’ireo aho, na dia ampondra iray aza, ary tsy nisy nasiako ratsy ireo na dia iray aza.»


Samia maka ny fanembohana ianareo; ka asio zava-manitra, ary samia mitondra ny fanembohanareo ho eo anatrehan’i Iaveh, dia ho fanembohana 250 izany; ary ianao sy i Aarôna koa dia samy hitondra ny fanembohanareo.»


Ampahatsiarovy ny olona izany, ary anaro eo anatrehan’Andriamanitra izy mba tsy hiady teny foana, satria tsy mahasoa akory izany, fa mamohehatra ny mpihaino aza.


ary inty aho, ataovy tenin’ny vavolombelona ny amiko eto anatrehan’i Iaveh sy ny voahosony: ombin’iza no mba nalaiko ary ampondran’iza no mba nalaiko? Zovy no mba nanaovako tsy an-drariny, ary iza no nampahoriko? Zovy no nandraisako kolikoly, mba hodiako tsy mahita azy? Fa honerako aminareo izany».


Koa ankehitriny avia eto anatrehako ianareo, fa tiako ny miantso anareo amin’ny fitsarana eto anatrehan’i Iaveh ny amin’ny soa rehetra nataony taminareo sy ny razanareo.