Ka dia nanendry mpifehy hampanao fanompoana an’i Israely izy, mba hamoritra azy amin’ny asa mafy; izany no nahavitana tanàna, natao fitahirizan-javatra ho an’i Faraôna dia Pitaoma sy Ramsesa.
Nomery 16:13 - Baiboly Katolika Tsy ampy va ny namoahanao anay tany amin’ny tany tondra-dronono sy tantely mba hahafaty anay atỳ an’efitra, no dia manangan-tena ho lehibenay koa ianareo? Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Moa zavatra kely va ny nitondranao anay niakatra niala tany amin’ny tany tondra-dronono sy tantely ka hahafaty anay atỳ an-tany efitra atỳ no dia milaza anao ho lehibenay koa ianao? DIEM PROTESTANTA Tsy ampy anao ve ny namoahanao anay nandao tany tondra-dronono sy tantely mba hahafaty anay atỳ an-taniefitra, no mbola mitady hibaiko anay indray ianao! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tsy ampy anao ve ny namoahanao anay nandao tany tondra-dronono sy tantely mba hahafaty anay atỳ an-taniefitra, no mbola mitady hibaiko anay indray ianao! Baiboly Protestanta Malagasy Moa zavatra kely va ny nitondranao anay niakatra niala tany amin’izay tany tondra-dronono sy tantely hahafaty anay atỳ an-efitra, no dia manao anao ho lehibenay koa hianao? Malagasy Bible Moa zavatra kely va ny nitondranao anay niakatra niala tany amin'izay tany tondra-dronono sy tantely hahafaty anay atỳ an-efitra, no dia manao anao ho lehibenay koa ianao? La Bible en Malgache Moa zavatra kely va ny nitondranao anay niakatra niala tany amin’ny tany tondra-dronono sy tantely ka hahafaty anay atỳ an-tany efitra atỳ no dia milaza anao ho lehibenay koa ianao? |
Ka dia nanendry mpifehy hampanao fanompoana an’i Israely izy, mba hamoritra azy amin’ny asa mafy; izany no nahavitana tanàna, natao fitahirizan-javatra ho an’i Faraôna dia Pitaoma sy Ramsesa.
Ary i Faraôna nandidy ny vahoaka rehetra, nanao hoe: «Atsipazo any anaty ony ny zazalahy teraka rehetra fa ny zazavavy avelao ho velona.»
Hoy ny zanak’i Israely tamin’izy ireo hoe: «Inay anie izahay mba matin’ny tanan’i Iaveh tany an-tany Ejipta, raha ilay nipetraka teo anelanelan’ny vilany feno hena sy nihinana mofo mandrapahavoky iny izahay; fa izao kosa nentinareo atỳ an’efitra izahay mba hahafaty mosary izao vahoaka be izao.»
Teo ihany anefa ny vahoaka main’ny hetaheta, ka nimonomonona tamin’i Môizy nanao hoe: «Ahoana no nampiakaranao anay hiala tany Ejipta, hahafatin’ny hetaheta anay sy ny zanakay mbamin’ny bibinay?»
Fa hoy ny navalin-dralehilahy: «Iza no nanangana an’ialahy ho lehibenay sy mpitsara anay? Sa tadiavin’ialahy hovonoina koa aho, tahaka ny namonoan’ialahy ilay Ejiptianina?» Raiki-tahotra i Môizy, ka hoy izy: «Misy mahalala tokoa ilay zavatra.»
Maty tanatin’izany andro maro izany ilay mpanjakan’i Ejipta. Ny zanak’i Israely mbola niferin’aina tamin’ny fanandevozana, ka velon-taraina mafy, ka tafasondrotra hatrany amin’Andriamanitra ny fitarainany noho ny fanandevozana.
Mbola tsy ampy anareo ve ny mihinana ahitra tsara, no dia mbola hosihosen’ny tongotrareo indray ny ahitrareo sisa; sy ny misotro ny rano madio, no dia mbola kobanin’ny tongotrareo koa ny sisa?
fa hatramin’ny iray volana maninjitra, dia mandra-pivoakany amin’ny vavoronareo, sy hampaharikoriko anareo; satria ianareo efa nitsipaka an’i Iaveh izay eo afovoanareo, sy nitomany teo anatrehany nanao hoe: Naninona re no nivoaka tany Ejipta foana izahay?»
Nirehitry ny fahalianana ny benahoana tafaharo tamin’i Israely; ary rafitra nitomany indray koa aza ny zanak’i Israely nanao hoe: «Iza re no mba hanome hena hohaninay?
Tsaroanay izany hazandrano, nohaninay maimaim-poana tany Ejipta, ny voatango, ny voanketsihetsy, ny tongolobe sy ny tongolon-kova.
Izao no filazana nataony tamin’i Môizy: «Nankany amin’ny tany nanirahanao anay izahay. Tany tondra-dronono sy tantely tokoa izany, ary itony no vokatry ny tany avy any.
Nimonomonona tamin’i Môizy sy i Aarôna ny zanak’i Israely rehetra, ka hoy ny fiangonana rehetra tamin’izy ireo: «Inay anie izahay maty tany an-tany Ejipta, na inay anie izahay maty atỳ amin’ity efitra ity.
Nahoana no dia nentin’i Iaveh amin’ity tany ity isika, ka ho lavon-tsabatra? Ary ny vady aman-janatsika ho lasan-ko babo. Tsy aleontsika va miverina ho any Ejipta?»
Fa nankahala azy kosa ny vahoaka iray tanindrazana aminy ka nampitondra teny nanaraka azy nanao hoe: Tsy tianay hanjaka aminay iny lehilahy iny.
«Io ilay Môizy nolaviny sy nataony hoe: ‹Iza moa no nanendry an’ialahy ho mpifehy sy mpitsara?› Kanjo izy ihany no nirahin’Andriamanitra ho mpifehy sy mpanavotra, nomban’ilay Anjely niseho taminy tao amin’ny hazo kely milobolobo.