Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 16:10 - Baiboly Katolika

Nampandrosoiny ho akaiky Azy ianao, mbamin’ny rahalahinao rehetra, ny zanak’i Levì miaraka aminao, ka dia mitsiriritra ny ho mpisorona koa ve?

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Navelany hanakaiky Azy ianao sy ireo rahalahinao taranak’i Levy rehetra miaraka aminao, dia mbola mitady ho mpisorona mihitsy koa va ianareo?

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Navelany hanakaiky Azy ianareo, ry Kôra sy ny Levita rehetra rahalahinao, dia mbola mitady ny raharahan’ny mpisorona indray ve?

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Navelany hanakaiky Azy ianareo, ry Kôra sy ny Levita rehetra rahalahinao, dia mbola mitady ny raharahan’ny mpisorona indray ve?

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia nampanakekeny Azy hianao sy ny rahalahinao taranak’i Levy rehetra miaraka aminao, ary mitady ho mpisorona koa va hianareo?

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia napanakekeny Azy ianao sy ny rahalahinao taranak'i Levy rehetra miaraka aminao, ary mitady ho mpisorona koa va ianareo?

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Navelany hanakaiky Azy ianao sy ireo rahalahinao taranak’i Levy rehetra miaraka aminao, dia mbola mitady ho mpisorona mihitsy koa va ianareo?

Jereo ny toko



Nomery 16:10
11 Rohy Ifampitohizana  

Fifandirana no hany ateraky ny avonavona; fa izay mety toroana no misy fahendrena.


Hoy i Iaveh tamin’i Aarôna: «Ianao sy ny zanakao ary ny fianakavian-drainao miaraka aminao no hitondra ny heloka momba ny fitoerana masina; ianao sy ny zanakao miaraka aminao no hitondra ny heloka momba ny fisoronanareo.


Ianao sy ny zanakao miaraka aminao hanatanteraka ny raharaham-pisoronanareo amin’ny zavatra rehetra momba ny ôtely, mbamin’izay rehetra ao anatin’ny efitra lamba. Izany no raharaha hataonareo. Raharaha azo maimaim-poana no anomezako anareo ny fisoronanareo. Izay olon-kafa manakaiky hatao maty.»


Ary i Aarôna sy ny zanany lahy dia hotendrenao hanao ny raharahany momba ny fisoronana. Fa raha olon-kafa no manatona ny fitoerana masina, dia hohelohin-ko faty.»


Ary niteny tamin’i Môizy i Iaveh ka nanao hoe: «Ampanatony ny fokon’i Levì, ka apetraho eo anatrehan’i Aarôna mpisorona mba hanao ny raharahany.


Ary velona koa ny ady hevitra tamin’izy ireo, momba ny hahalalany izay lehibe indrindra amin’izy ireo,


Mifankatiava toy ny ifankatiavan’ny mpiray tam-po, mifaninàna hifanaja.


tsy hanao na inona na inona amin’ny fifampiandaniana na filan-dera foana, fa samy hanetry tena sy hanao ny namany ho ambony noho ny tenany avy,


Nanoratra kely tamin’ny Eglizy aho, nefa tsy te-handray anay i Diôtrefesy izay te-ho lohan’izy ireo.


I Mikasy nanokana ity Levita, dia tonga mpisorona ho azy io ilay tovolahy, ary nitoetra tao an-tranon’i Mikasy.