Fa nasandratrao kosa ny tanana ankavanan’ny mpampahory azy, nampifalinao ny fahavalony rehetra.
Nomery 14:45 - Baiboly Katolika ka nirotsahan’ny Amalesita sy ny Kananeanina izay nonina tamin’izany tendrombohitra izany izy, dia nasiany sy nataony lambam-bary hatrany Hormà. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nidina ny Amalekita sy ny Kananita, izay nonina teo amin’izany tendrombohitra izany, ka namely azy ary nanorotoro azy hatrany Horma. DIEM PROTESTANTA Nidinan’ny Hamalekita sy ny Kanahanita izay nonina tamin’izany tendrombohitra izany izy ireo ka notafihiny ary nenjehiny hatrany Hôrmà. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nidinan’ny Hamalekita sy ny Kanahanita izay nonina tamin’izany tendrombohitra izany izy ireo ka notafihiny ary nenjehiny hatrany Hôrmà. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nidina ny Amalekita sy ny Kananita, izay nonina teo amin’izany tendrombohitra izany, ka namely azy ary nanorotoro azy hatrany Horma. Malagasy Bible Dia nidina ny Amalekita sy ny Kananita, izay nonina teo amin'izany tendrombohitra izany, ka namely azy ary nanorotoro azy hatrany Horma. La Bible en Malgache Dia nidina ny Amalekita sy ny Kananita, izay nonina teo amin’izany tendrombohitra izany, ka namely azy ary nanorotoro azy hatrany Horma. |
Fa nasandratrao kosa ny tanana ankavanan’ny mpampahory azy, nampifalinao ny fahavalony rehetra.
Ka hoy izy: «Efa nanangan-tanan-kamely ny seza fiandrianan’i Iaveh izy ireo, koa i Iaveh kosa hiady amin’i Amaleka amin’ny taona mifandimby hatrany».
I Amaleka no monina amin’ny faritanin’ny Negeba; ny Heteanina, ny Jebozeanina, ary ny Amôreana no monina amin’ny tendrombohitra; ary ny Kananeanina no monina amin’ny moron-dranomasina sy ny amoron’i Jordany.»
Eo anoloanareo eo ny Amalesita sy ny Kananeanina, ka ho lavon’ny sabatra ianareo, satria nivily tsy hanaraka an’i Iaveh ianareo, ka tsy homba anareo i Iaveh.»
Nohenoin’i Iaveh ny feon’i Israely, ka natolony ny Kananeanina, dia natao anatema izy ireo, mbamin’ny tanànany. Ary ny anaran’izany fitoerana izany dia natao hoe Hormà.
Kanjo nivoaka hanehatra anareo ny Amôreana izay monina amin’izany tendrombohitra izany, ka notanahiny ianareo toy ny fanaon’ny renitantely sy noreseny tao Seira ka hatrany Hormà.
Hataon’ny irery lahy ahoana no fanenjika ny arivo, hataon’ny roa lahy ahoana ny fampandosirana ny iray alina, raha tsy ny Vatolampy no efa nivarotra azy, raha tsy i Iaveh no efa nanolotra azy?
Nahafaty tokony ho enina amby telopolo lahy tamin’izy ireo ny olona tao Haia, sady nanenjika azy hatrany am-bavahady ka hatrany Sabarima, sy namely azy teny am-pidinana. Ka nivarahontsana terỳ ny fon’ny vahoaka, ary nanary toky izy.
Dia niainga nandeha indray i Jodà, nomban’i Simeôna rahalahiny, ka nandresy ny Kananeanina nonina tany Sefaata; nataony anatema ny tanàna, ka Hormà no niantsoana azy.
Niakatra i Davida sy ny olony ary nanafika ny Gesorianina sy ny Gerzianina ary ny Amalesita, fa olona nonina any ankilan’i Sora ka hatrany amin’ny tany Ejipta izy ireo izany ela izany.
Ary nony nilahatra hiady tamin’i Israely ny Filistinina, ka rafitra ny ady, dia resin’ny Filistinina i Israely, nahafatesany sahabo ho efatra arivo ny olona nilahatra hiady teo amin’ny tany lemaka.