Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 14:32 - Baiboly Katolika

Ny anareo kosa, dia ny fatinareo no hiampatrampatra atỳ an’efitra,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa ny aminareo dia hiampatrampatra atỳ amin’ity tany efitra ity ny fatinareo;

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ianareo izany ho faty ka hiampatrampatra amin’ity taniefitra ity;

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ianareo izany ho faty ka hiampatrampatra amin’ity taniefitra ity;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa ny aminareo, dia hiampatrampatra amin’ity efitra ity ny fatinareo;

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa ny aminareo, dia hiampatrampatra amin'ity efitra ity ny fatinareo;

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa ny aminareo dia hiampatrampatra atỳ amin’ity tany efitra ity ny fatinareo;

Jereo ny toko



Nomery 14:32
7 Rohy Ifampitohizana  

Ka dia nanainga ny tanany Izy hamely azy ireo, handringana azy any an’efitra:


Hiampatrampatra amin’ity efitra ity ny fatinareo. Ianareo rehetra izay efa nanaovana fanisana ka voaisa, ny efa roapolo taona no ho miakatra, izay efa nimonomonona tamiko,


Tamin’izy ireo, dia tsy nisy na dia iray aza anisan’ny zanak’i Israely, izay efa nisain’i Môizy sy i Aarôna mpisorona tany an’efitra Sinaia.


Fa ireny efa nilazan’i Iaveh hoe: Ho faty any an’efitra; ka tsy nisy sisa intsony tamin’ireny, afa-tsy i Kaleba, zanak’i Jefone, sy i Jôsoe zanak’i Nona.


Nirehitra tamin’i Israely ny fahatezeran’i Iaveh ka nataony nirenireny tany an’efitra izy ireo nandritra ny efapolo taona mandra-pahalany ritra ny taranaka rehetra izay nanao ratsy teo imason’i Iaveh.


Tsy sitrak’Andriamanitra anefa ny ankabeazan’izy ireny, fa lambam-bary tany an’efitra.


Iza no nahatezitra Azy, nandritra ny efapolo taona? Moa tsy ry zareo nanota va, ka niampatrampatra tany an’efitra ny fatiny?