Raha izany dia lasa nody izy ireo, ka tonga teo am-pantsakan’i Fitsarana, dia i Kadesa izany, ka namely ny tanin’ny Amalesita rehetra mbamin’ny Amôreana izay nonina tany Asasôn-Tamara.
Nomery 13:26 - Baiboly Katolika Tonga izy, dia nanatona an’i Môizy sy i Aarôna, mbamin’ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra, tao Kadesy tany an’efitra Faràna. Nanao filazana taminy sy tamin’ny fiangonana rehetra izy ireo ary naneho ny vokatry ny tany taminy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nandeha izy ireo nankeo amin’i Mosesy sy i Arona ary ny fiangonana, dia ny Zanak’Israely manontolo, tany an-tany efitra Parana, tany Kadesy, ka nitondra teny taminy sy tamin’ny fiangonana manontolo sady naneho azy ny vokatry ny tany. DIEM PROTESTANTA Nankeo amin’i Mosesy sy i Aharôna ary ny Fiangonan’ny Israelita rehetra tao an-taniefitr’i Paràna any Kadesy izy ireo, ka nanao tatitra tamin’ny besinimaro ary nampiseho azy ny vokatry ny tany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nankeo amin’i Mosesy sy i Aharôna ary ny Fiangonan’ny Israelita rehetra tao an-taniefitr’i Paràna any Kadesy izy ireo, ka nanao tatitra tamin’ny besinimaro ary nampiseho azy ny vokatry ny tany. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nankeo amin’i Mosesy sy Arona ary ny fiangonana, dia ny Zanak’Isiraely rehetra, tany an-efitra Parana izy, dia tany Kadesy, ka nitondra teny taminy sy ny fiangonana rehetra sady naneho azy ny vokatry ny tany. Malagasy Bible Dia nankeo amin'i Mosesy sy Arona ary ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, tany an-efitra Parana izy, dia tany Kadesy, ka nitondra teny taminy sy ny fiangonana rehetra sady naneho azy ny vokatry ny tany. La Bible en Malgache Dia nandeha izy ireo nankeo amin’i Mosesy sy i Arona ary ny fiangonana, dia ny Zanak’Israely manontolo, tany an-tany efitra Parana, tany Kadesy, ka nitondra teny taminy sy tamin’ny fiangonana manontolo sady naneho azy ny vokatry ny tany. |
Raha izany dia lasa nody izy ireo, ka tonga teo am-pantsakan’i Fitsarana, dia i Kadesa izany, ka namely ny tanin’ny Amalesita rehetra mbamin’ny Amôreana izay nonina tany Asasôn-Tamara.
Dia nirahin’i Môizy avy ao amin’ny efitra Faràna, araka ny didin’i Iaveh, izy ireo; ary samy filohan’ny zanak’i Israely avokoa ireo lehilahy rehetra ireo.
Tonga tao amin’ny efitra Sina, tamin’ny volana voalohany, ny zanak’i Israely, dia ny fiangonana manontolo, ary tao Kadesy no nitoetra ny vahoaka. Tao no nahafatesan’i Maria sy nandevenana azy. Fa ny hany teo akaikin’ny Fiara, dia ny Levita sy Hebrio sasantsasany ihany.
Avy ao Kadesy no nandefasan’i Môizy iraka tamin’ny mpanjakan’i Edôma, hilaza aminy hoe: «Izao no lazain’i Israely, rahalahinao: Fantatrao ny fahoriana rehetra niaretanay.
Dia nitaraina tamin’i Iaveh izahay, ary nihaino ny feonay Izy; naniraka Anjely Izy ary nitondra anay nivoaka tany Ejipta. Ary indreto izahay izao dia eto Kadesy, tanàna amin’ny faritry ny taninao.
Mova tsy izao koa no nataon’ny rainareo, fony aho naniraka azy avy tany Kadesa-Barne hisafo ny tany.
Niakatra hatrany an-dohasahan’i Eskôla izy ary nahita ny tany, dia nampiketraka ny zanak’i Israely tsy hiditra any amin’ny tany omen’i Iaveh azy.
«Nony niala tany Horeba isika, dia namaky ilay efitra malalaka sy mahatsiravina hitanareo nankany amin’ny tendrombohitry ny Amôreana, araka ny nandidian’i Iaveh Andriamanitrareo antsika, ka tonga tany Kadesa-Barne.
Lalana iraika ambin’ny folo andro i Kadesa-Barne, raha avy eo Horeba ka mihazo ny lalana amin’ny tendrombohitra Seira.
Nanatona an’i Jôsoe ny taranak’i Jodà tany Galgalà, ary i Kaleba zanak’i Jefone, Kenezeanina, nanao taminy hoe: «Fantatrao izay nolazain’i Iaveh tamin’i Môizy olon’Andriamanitra ny amiko sy ny aminao tany Kadesa-Barne.
Efapolo taona aho, no nirahin’i Môizy, mpanompon’i Iaveh, avy tao Kadesa-Barne, hisafo ny tany; ary araka izay tao am-poko tokoa no nanaovako filazana taminy.