Ary nifona tamin’Andriamanitra i Abrahama dia nositranin’Andriamanitra i Abimeleka sy ny vadiny ama-mpanompovaviny, ka niteraka ireo.
Nomery 12:13 - Baiboly Katolika Dia nitaraina tamin’i Iaveh i Môizy, ka nanao hoe: «Ry Andriamanitra, mihanta aminao aho, sitrano izy.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nitaraina tamin’NY TOMPO i Mosesy hoe: Andriamanitra ô, mifona aminao aho mba sitrano re izy! DIEM PROTESTANTA Nitaraina tamin’ny TOMPO i Mosesy ka nanao hoe: –Andriamanitra ô, mba sitrano re izy! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nitaraina tamin’ny TOMPO i Mosesy ka nanao hoe: –Andriamanitra ô, mba sitrano re izy! Baiboly Protestanta Malagasy Ary Mosesy dia nitaraina tamin’i Jehovah ka nanao hoe: Andriamanitra ô, mifona aminao aho, mba sitrano re izy! Malagasy Bible Ary Mosesy dia nitaraina tamin'i Jehovah ka nanao hoe: Andriamanitra ô, mifona aminao aho, mba sitrano re izy! La Bible en Malgache Dia nitaraina tamin’NY TOMPO i Mosesy hoe: Andriamanitra ô, mifona aminao aho mba sitrano re izy! |
Ary nifona tamin’Andriamanitra i Abrahama dia nositranin’Andriamanitra i Abimeleka sy ny vadiny ama-mpanompovaviny, ka niteraka ireo.
Niteny ny mpanjaka ka nilaza tamin’ity olon’Andriamanitra hoe: «Mampionòna an’i Iaveh Andriamanitrao, ka mivavaha ho ahy mba hivonkonan’ny tanako hankatỳ amiko indray.» Nampionona an’i Iaveh ity olon’Andriamanitra ka azon’ny mpanjaka navonkina hankany aminy ny tanany izay tonga toy ny taloha ihany indray.
Mankalaza Anao aho, ry Iaveh, fa efa nanandratra ahy Ianao, tsy nataonao ho fifalian’ny fahavaloko aho.
I Iaveh hamonjy azy eo am-parafara fijaliany; havadikao avokoa ny fandriany rehetra eo am-paharariany.
Hoy Izy: «Raha mihaino ny feon’i Iaveh Andriamanitrao ianao, raha manao izay mahitsy eo anatrehany, raha mampandry sofina amin’ny didiny ary mitandrina ny lalàny rehetra, dia tsy hisy hameliko anao ireny aretina nafitsoko ny Ejiptianina ireny, fa i Iaveh manasitrana anao Aho.»
Ary hoy i Iaveh: «Atsofohy ao amin’ny tratranao indray ny tananao»; ary natsofony tao amin’ny tratrany indray ny tanany, dia notsoahany avy ao, dia indro, nanjary sahala amin’ny nofony.
Ny hazavan’ny volana ho tahaka ny hazavàn’ny masoandro; ary ny hazavan’ny masoandro ho avo fito heny, ho tahaka ny hazavan’ny hafitoana, amin’ny andro hamelezan’i Iaveh ny ratran’ny vahoakany, sy hanasitranany ny fery namelezany azy.
Ry Iaveh ô, sitrano aho, dia ho sitrana; vonjeo aho, dia ho voavonjy; fa Ianao no fiderako!
Dia nibabababa tamin’i Môizy ny vahoaka, ary i Môizy nifona tamin’i Iaveh, ary maty ny afo.
Aoka re tsy ho toy ny zaza maty hatrany am-bohoka izy; ka raha vao teraka dia efa lany sasaka ny nofony.»
Nimonomonona tamin’i Môizy sy i Aarôna ny zanak’i Israely rehetra, ka hoy ny fiangonana rehetra tamin’izy ireo: «Inay anie izahay maty tany an-tany Ejipta, na inay anie izahay maty atỳ amin’ity efitra ity.
Dia hoy i Jesoa: «Raiko, avelao ny helony, fa tsy fantany izay ataony.» Ary nanaovan’izy ireo loka no fizara ny fitafiany.
Ary ny vavaka atao am-pinoana hamonjy ny marary; dia hanamaivana ny rofiny ny Tompo, ary hamela izay heloka vitany.
Ary raha ny amiko, dia lavitra ahy izay hanota amin’i Iaveh ka hitsahatra ny tsy hivavaka ho anareo. Fa hatoroko anareo ny lalana tsara sy mahitsy.
«Manenina Aho tamin’ny nananganako an’i Saola ho mpanjaka; fa nivily niala tamiko izy, ary tsy narahiny ny teniko». Dia nalahelo i Samoela ary nitaraina tamin’i Iaveh izy nandritra iny alina iny.