Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 11:13 - Baiboly Katolika

Aiza no hangalako hena homena an’izao vahoaka rehetra izao? Fa mitomany manodidina ahy izy, manao hoe: Omeo hena izahay hohaninay.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Avy aiza no hahazoako hena homena ity firenena iray manontolo ity no dia mitomany amiko izy hoe: Omeo hena izahay hohaninay!

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Aiza no hahitako hena homena ireo vahoaka rehetra ireo izay mitomany amiko hoe: «Omeo hena izahay hohaninay»?

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Aiza no hahitako hena homena ireo vahoaka rehetra ireo izay mitomany amiko hoe: «Omeo hena izahay hohaninay»?

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Avy aiza no hahazoako hena homena ity firenena rehetra ity, no dia mitomany amiko izy manao hoe: Omeo hena izahay hohaninay?

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Avy aiza no hahazoako hena homena ity firenena rehetra ity, no dia mitomany amiko izy manao hoe: Omeo hena izahay hohaninay?

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Avy aiza no hahazoako hena homena ity firenena iray manontolo ity no dia mitomany amiko izy hoe: Omeo hena izahay hohaninay!

Jereo ny toko



Nomery 11:13
9 Rohy Ifampitohizana  

Fa hoy ny navalin’ny mpanompony: «Hatao ahoana no fandroso izany eo anatrehan’ny olona zato?» Fa hoy i Elisea: «Omeo ireo olona ireo hohaniny; fa izao no lazain’i Iaveh: Hihinana ny olona ary mbola hisy sisa tsy lany.»


Fa namaly an’ity olon’Andriamanitra ilay manamboninahitra nitehenan’ny mpanjaka tamin’ny tanany, ka nanao hoe: «Aiza ka dia ho tanteraka izany; na dia hanao varavarankely amin’ny lanitra aza i Iaveh?» Dia hoy i Elisea: «Ho hitan’ny masonao izany, nefa tsy mba hihinananao.»


fa hatramin’ny iray volana maninjitra, dia mandra-pivoakany amin’ny vavoronareo, sy hampaharikoriko anareo; satria ianareo efa nitsipaka an’i Iaveh izay eo afovoanareo, sy nitomany teo anatrehany nanao hoe: Naninona re no nivoaka tany Ejipta foana izahay?»


Hoy i Môizy: «Ny vahoaka manodidina ahy, dia enina hetsy ny lehilahy mandeha tongotra, ka lazainao hoe: Homeko hena izy ireo, sady hihinana izany iray volana maninjitra.


Ny omby aman’ondry va no hovonoina ho azy ireo, mba ho ampy ho azy sa ny hazan-drano rehetra any an-dranomasina no hangonina, mba ho ampy ho azy?»


Fa hoy ny mpianany taminy: «Aiza no hahazahoanay mofo ampy hahavoky ireo vahoaka be ireo atỳ an’efitra?»


Dia hoy ny mpianany namaly Azy: «Aiza no hahitana mofo hahavoky ireo atỳ an’efitra?»


Niaraka tamin’izay, dia sady niantso mafy ny rain-drazazalahy no nanao an-dranomaso hoe: «Mino aho, Tompoko, fa vonjeo re ity tsy finoako.»