Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 10:25 - Baiboly Katolika

Dia niainga ny fanevan’ny tobin’ny zanak’i Dana, araka ny antokony avy; izy no vodilalan’ny toby rehetra. Ny antokon’i Dana dia nofehezin’i Ahiezera zanak’i Amisadaia;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia niainga ny fanevan’ny tobin’ny taranak’i Dana, izay vodilalan’ny toby rehetra, araka ny antokony; ary ny mpifehy ny antokony dia i Ahiezera, zanak’i Amisaday.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ny fanevan’i Dàna mbamin’ny antokon-tafiny no nanainga farany. Izy ireo no vodilaharana; ny tafiky ny taranak’i Dana dia notarihin’i Ahihezera, zanakalahin’i Hamisaday;

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ny fanevan’i Dàna mbamin’ny antokon-tafiny no nanainga farany. Izy ireo no vodilaharana; ny tafiky ny taranak’i Dana dia notarihin’i Ahihezera, zanakalahin’i Hamisaday;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia niainga ny fanevan’ny tobin’ny taranak’i Dana, izay vodi-làlan’ny toby rehetra, araka ny antokony; ary Ahiezera, zanak’i Amisaday, no mpifehy ny antokony.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia niainga ny fanevan'ny tobin'ny taranak'i Dana, izay vodi-lalan'ny toby rehetra, araka ny antokony; ary Ahiezera, zanak'i Amisaday, no mpifehy ny antokony.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia niainga ny fanevan’ny tobin’ny taranak’i Dana, izay vodilalan’ny toby rehetra, araka ny antokony; ary ny mpifehy ny antokony dia i Ahiezera, zanak’i Amisaday.

Jereo ny toko



Nomery 10:25
12 Rohy Ifampitohizana  

Fa tsy hikoropaka no hivoahanareo, ary tsy handositra no ho fandehanareo; fa i Iaveh no mandeha eo alohanareo, ary ny Andriamanitr’i Israely no ho vodilalanareo!»


Amin’izany ny fahazavanao hiposaka hoatra ny fahazavan’ny maraina, ary ny fahasitrananao ho tonga faingana; ny fahamarinanao, hialoha lalana anao; ny voninahitr’i Iaveh ho vodilalanao.


ny amin’i Dana: Ahiesera zanak’i Amisadaia;


ary ny antokon’ny fokon’i Benjamina dia nofehezin’i Abidàna, zanak’i Jedeôna.


ny antokon’ny fokon’ny zanak’i Asera dia nofehezin’i Fegiela zanak’i Okrana;


Tamin’ny andro fahafolo, an’i Ahiesera, zanak’i Amisadaìa, filohan’ny zanak’i Dana;


Niainga ny mpisorona fito nitondra ny trômpetra fito mafy faneno, teo alohan’ny fiaran’i Iaveh ary nitsoka ny trômpetra. Ny lehilahy àry fiadina nandeha teo alohan’ireo, ary ny vodilalana nanarakaraka ny fiaran’i Iaveh. Teo am-pandehanana dia notsofina ny trômpetra.


Ny lehilahy àry fiadiana nandeha teo alohan’ny mpisorona nitsoka trômpetra, ary ny vody lalana kosa nanarakaraka ny fiara; teo am-pandehanana dia notsofina ny trômpetra.