Nomery 10:15 - Baiboly Katolika Ny antokon’ny fokon’ny zanak’i Isakara, dia nofehezin’i Natanaely zanak’i Soara; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny mpifehy ny antokon’ny taranak’Isakara dia i Netanela, zanak’i Zoara. DIEM PROTESTANTA ny an’ny fokon’i Jisakara dia notarihin’i Natanaela, zanakalahin’i Tsohara; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara ny an’ny fokon’i Jisakara dia notarihin’i Natanaela, zanakalahin’i Tsohara; Baiboly Protestanta Malagasy Ary Netanela, zanak’i Zoara, no mpifehy ny antokon’ny firenena taranak’Isakara. Malagasy Bible Ary Netanela, zanak'i Zoara, no mpifehy ny antokon'ny firenena taranak'Isakara. La Bible en Malgache Ny mpifehy ny antokon’ny taranak’Isakara dia i Netanela, zanak’i Zoara. |
Ny niainga voalohany, dia ny fanevan’ny tobin’ny zanak’i Jodà araka ny antokony avy; ary ny antokon’i Jodà, dia nofehezin’i Nahasôna zanak’i Aminadaba.
Tamin’ny andro faharoa, i Natanaely zanak’i Soara, filohan’i Isakara, no nanolotra ny fanatiny.