Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 1:19 - Baiboly Katolika

Araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy; dia nataony ny fanisana tany an’efitra Sinaia.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy no nandaminany azy tany amin’ny tany efitr’i Sinay.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

mifanaraka amin’ny nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy. Tao an-taniefitr’i Sinay no nanaovany ny fanisana.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

mifanaraka amin’ny nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy. Tao an-taniefitr’i Sinay no nanaovany ny fanisana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Araka izay nandidian’i Jehovah an’i Mosesy no nandaminany azy tany an-efitr’i Sinay.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Araka izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy no nandaminany azy tany an-efitr'Sinay.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy no nandaminany azy tany amin’ny tany efitr’i Sinay.

Jereo ny toko



Nomery 1:19
10 Rohy Ifampitohizana  

Ka nalainy tamin’ireo ny 70.000 hitondra entana, ny 80.000 hipai-bato eny an-tendrombohitra, ary ny 3.600 nataony mpitandrina hampiasa ny vahoaka.


Dia nataon’i Môizy izay rehetra nandidian’i Iaveh azy, dia vitany araka izany.


Rehefa hiditra ao an-trano lay fihaonana sy hanatona ny ôtely izy ireo, dia nisasa, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.


«Alao isa ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra, araka ny fianakaviany sy ny fokom-pianakaviany avy, ka ny anaran’ny lehilahy rehetra isam-batan’olona no hisaina tsirairay avy,


Dia notanterahin’ny zanak’i Israely avokoa izay rehetra nandidian’i Iaveh an’i Môizy; nataony izany.


Notanterahin’ny zanak’i Israely avokoa izay rehetra nandidian’i Iaveh an’i Môizy. Toy izany no nitobiany samy araka ny fanevany avy. Toy izany no nilaharany teo am-pandehanana araka ny fianakaviany avy sy ny tokom-pianakaviany avy.


Ireo no lehilahy voaisan’i Môizy sy i Eleazara mpisorona, izay nanisa ny zanak’i Israely teo amin’ny tany lemak’i Moaba, akaikin’i Jordany, tandrifin’i Jerikô.


Nomen’i Môizy an’i Aarôna sy ny zanany izany vola avy amin’ny fanavotana izany, araka ny tenin’i Iaveh, dia araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.