Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nehemia 5:6 - Baiboly Katolika

Loza ny hatezerako nony nandre ny fitarainan’izy ireo, sy izany teny izany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia tezitra indrindra aho raha nahare ny fitarainany sy izany teny izany.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Dia tezitra mafy aho rehefa nahare ny fitarainan’ny olona sy izany teny izany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia tezitra mafy aho rehefa nahare ny fitarainan’ny olona sy izany teny izany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia tezitra indrindra aho, raha nahare ny fitarainany sy izany teny izany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia tezitra indrindra aho, raha nahare ny fitarainany sy izany teny izany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia tezitra indrindra aho raha nahare ny fitarainany sy izany teny izany.

Jereo ny toko



Nehemia 5:6
8 Rohy Ifampitohizana  

Nasiako teny mafy izy ireo sy nozoniko; maro no nokapohiko, nombotako ny volony, ary nangataka nitalaho tamin’izy ireo aho, tamin’ny anaran’Andriamanitra, nanao hoe: «Ny zanakareo vavy, tsy homenareo ho vadin’ny zanany lahy, ary ny zanany vavy tsy halainareo ho vadin’ny zanakareo lahy, na ho vadinareo.»


Tsindrian’ny alahelo aho tamin’izay, ka natsipiko tany ivelan’ny efitrano ny fanaka rehetra tao amin’ny fonenan’i Tobia.


Nony nieritreritra aho anakampo, dia ireo lehibe aman’andriambaventy no nanariko mafy sy nataoko hoe: «Mampanjanaka vola ianareo izany, samy amin’ny rahalahiny avy!» Koa nanao fivorian-dehibe noho ny amin’izy ireo aho,


Azon’ny hatezerana aho noho ny amin’ny ratsy fanahy, izay mahafoy ny lalànao.


Izay ny mpanomponao rehetra etoana dia hidina hankany amiko sy hiankohoka eo anatrehako, ka hanao hoe: Mandehana any avokoa, ianao sy ny vahoaka rehetra manaraka anao. Ary izay koa Aho vao handeha.» Dia tamim-pahatezerana mirehitra no nivoahan’i Môizy avy ao amin’i Faraôna.


Tezitra indrindra i Môizy, ka hoy izy tamin’i Iaveh: «Aza asianao raharaha akory izay fanatitr’ireo, fa tsy mba naka tamin’ireo aho, na dia ampondra iray aza, ary tsy nisy nasiako ratsy ireo na dia iray aza.»


Dia nijery azy rehetra tamin-katezerana Izy, sy nalahelo noho ny hajamban’ny fony, ary nilaza tamin-dralehilahy hoe: «Ahinjiro ny tananao» Dia nahinjiny, ka sitrana ny tanany.


Tezera, fa aza manota, ary aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo.