Ary hoy koa aho: «Tsy tsara izao nataonareo izao. Moa tsy tokony ho nandeha tamim-pahatahorana ny Andriamanitsika va ianareo, mba tsy ho voan’ny fanaratsian’ny firenena fahavalontsika?
Nehemia 4:4 - Baiboly Katolika Hoy anefa i Jodà: «Tsy ampy hery ny mpitondra entana fa be ny korontan-javatra, ka tsy haharafitra ny manda izahay.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary hoy ny Joda: Mihena ny herin’ny mpitondra entana ary be ny korontam-bato sy ny tany; koa dia tsy maharafitra ny manda izahay. DIEM PROTESTANTA Saingy hoy ny lehilahin’i Joda hoe: «Mihena hery ny mpitondra entana ary be ny korontan-javatra ka dia tsy ho vitanay mihitsy ny handrafitra ny manda!» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Saingy hoy ny lehilahin’i Joda hoe: «Mihena hery ny mpitondra entana ary be ny korontan-javatra ka dia tsy ho vitanay mihitsy ny handrafitra ny manda!» Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy ny Joda: Mihena ny herin’ny mpitondra entana, ary be ny korontam-bato sy ny tany; ka dia tsy maharafitra ny mànda izahay. Malagasy Bible Ary hoy ny Joda: Mihena ny herin'ny mpitondra entana, ary be ny korontam-bato sy ny tany; ka dia tsy maharafitra ny manda izahay. La Bible en Malgache Ary hoy ny Joda: Mihena ny herin’ny mpitondra entana ary be ny korontam-bato sy ny tany; koa dia tsy maharafitra ny manda izahay. |
Ary hoy koa aho: «Tsy tsara izao nataonareo izao. Moa tsy tokony ho nandeha tamim-pahatahorana ny Andriamanitsika va ianareo, mba tsy ho voan’ny fanaratsian’ny firenena fahavalontsika?
Azerao impito eo an-tratran’ireo mifanila toerana aminay, ny fanaratsiana nafitsony Anao, Tompo ô!
Ho mby eo anatrehanao avokoa anie ny faharatsian’ireo, mba hitondranao azy, toy ny nataonao tamiko noho ny fahadisoako rehetra! Fa be ny fisentoako, ka marary ny foko!
Ary mpaminany no nentin’Andriamanitra nampiakatra an’i Israely avy tany Ejipta, mpaminany no nentiny niahy azy.
Dia hoy i Davida tamin’ireo olona teo anilany: «Ahoana sy ahoana avy ange no hatao amin’izay mahafaty io Filistinina io, ka mahafa-tondromaso an’i Israely? Zinona izay Filistinina; ilay tsy mifora io no dia hanala baraka ny tafiky ny Andriamanitra velona!»