Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nehemia 4:4 - DIEM PROTESTANTA

4 Saingy hoy ny lehilahin’i Joda hoe: «Mihena hery ny mpitondra entana ary be ny korontan-javatra ka dia tsy ho vitanay mihitsy ny handrafitra ny manda!»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 Ary hoy ny Joda: Mihena ny herin’ny mpitondra entana ary be ny korontam-bato sy ny tany; koa dia tsy maharafitra ny manda izahay.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 Saingy hoy ny lehilahin’i Joda hoe: «Mihena hery ny mpitondra entana ary be ny korontan-javatra ka dia tsy ho vitanay mihitsy ny handrafitra ny manda!»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

4 Hoy anefa i Jodà: «Tsy ampy hery ny mpitondra entana fa be ny korontan-javatra, ka tsy haharafitra ny manda izahay.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 Ary hoy ny Joda: Mihena ny herin’ny mpitondra entana, ary be ny korontam-bato sy ny tany; ka dia tsy maharafitra ny mànda izahay.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 Ary hoy ny Joda: Mihena ny herin'ny mpitondra entana, ary be ny korontam-bato sy ny tany; ka dia tsy maharafitra ny manda izahay.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

4 Ary hoy ny Joda: Mihena ny herin’ny mpitondra entana ary be ny korontam-bato sy ny tany; koa dia tsy maharafitra ny manda izahay.

Jereo ny toko dika mitovy




Nehemia 4:4
7 Rohy Ifampitohizana  

Ary hoy koa aho hoe: –Tsy tsara izao ataonareo izao! Moa tsy tokony niaina tamim-pahatahorana an’Andriamanitra ve ianareo mba tsy hiharan’ny fanaratsian’ireo hafa firenena fahavalontsika?


Tompo ô, mba valio impito heny amin’ireo firenena mifanila aminay ny fanalàm-baràka nataony Anao.


Maniratsira izay mpaniratsira Azy Izy nefa kosa manome fahasoavana ny manetry tena.


Ho tonga eo anatrehanao anie ny faharatsiany rehetra ka valio izy tahaka ny namalianao ahy tamin’ny fahadisoako rehetra. Satria maro loatra ny sentoko ka mankararirary ny foko izany.


Fa mpaminany kosa no nentin’ny TOMPO nampiakatra an’i Israely niala tany Ejipta, ary mpaminany no nataony mpiandry azy.


Dia hoy i Davida tamin’ny miaramila iray teo akaikiny: –Hatao ahoana tsara hoe izay maharesy io Filistinina io ka mahafaka an’i Israely amin’izao fahafaham-baràkany izao? Fa iza moa io Filistinina mpanompo sampy io no sahy mihantsy ny tafik’ilay Andriamanitra velona?


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra