Ny mpisorona taranak’i Aarôna, hiaraka amin’ny Levita, rehefa mandray ny fahafolony ny Levita, ary ny ampahafolon’ny fahafolony dia haterin’ny Levita ao an-tranon’Andriamanitra ao amin’ny efitrano fitahirizan-drakitra.
Nehemia 13:11 - Baiboly Katolika Noteneniko mafy ny andriambaventy, nataoko hoe: «Nahoana no dia nilaozana ity tranon’Andriamanitra?» Dia novoriko ny Levita sy ny mpihira, ka napetrako teo amin’ny zara toerany avy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nifandahatra tamin’ny mpanapaka aho hoe: Nahoana no dia ilaozana ny tranon’Andriamanitra? Dia namory azy aho ka nametraka azy teo amin’ny toerany avy. DIEM PROTESTANTA Dia nifandahatra tamin’ny mpanapaka aho ka nanao hoe: –Nahoana no dia navela hilaozana ny tranon’Andriamanitra? Dia namory ny levita sy ny mpihira aho ka nametraka azy teo amin’ny anjara toerany avy; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nifandahatra tamin’ny mpanapaka aho ka nanao hoe: –Nahoana no dia navela hilaozana ny tranon’Andriamanitra? Dia namory ny levita sy ny mpihira aho ka nametraka azy teo amin’ny anjara toerany avy; Baiboly Protestanta Malagasy Dia nifandahatra tamin’ny mpanapaka aho ka nanao hoe: Nahoana no dia ilaozana ny tranon’Andriamanitra? Dia namory azy aho ka nametraka azy teo amin’ny toerany avy. Malagasy Bible Dia nifandahatra tamin'ny mpanapaka aho ka nanao hoe: Nahoana no dia ilaozana ny tranon'Andriamanitra? Dia namory azy aho ka nametraka azy teo amin'ny toerany avy. La Bible en Malgache Dia nifandahatra tamin’ny mpanapaka aho hoe: Nahoana no dia ilaozana ny tranon’Andriamanitra? Dia namory azy aho ka nametraka azy teo amin’ny toerany avy. |
Ny mpisorona taranak’i Aarôna, hiaraka amin’ny Levita, rehefa mandray ny fahafolony ny Levita, ary ny ampahafolon’ny fahafolony dia haterin’ny Levita ao an-tranon’Andriamanitra ao amin’ny efitrano fitahirizan-drakitra.
Noteneniko mafy ny lehibe amin’i Jodà, nataoko hoe: «Inona izao zava-dratsy ataonareo mandoto ny andro sabata izao?
Nasiako teny mafy izy ireo sy nozoniko; maro no nokapohiko, nombotako ny volony, ary nangataka nitalaho tamin’izy ireo aho, tamin’ny anaran’Andriamanitra, nanao hoe: «Ny zanakareo vavy, tsy homenareo ho vadin’ny zanany lahy, ary ny zanany vavy tsy halainareo ho vadin’ny zanakareo lahy, na ho vadinareo.»
noho ny tahotro ny fivoriam-be, noho ny tahotra sao esoin’ireo fianakaviana, ka ho nangina aho tsy sahy nandingana ny tokonam-baravarana akory!...
Ny mahafoy ny lalàna, mandoka ny ratsy fanahy; fa ny manara-dalàna kosa mitezitra aminy.
Ka dia heloka be vava teo anatrehan’i Iaveh ny an’ireo zatovo ireo, satria nahatarika fanaratsiana ny fanatitra ho an’i Iaveh izany olona izany.