Nasaiko niakatra teny ambonin’ny manda ireo mpanapaka an’i Jodà, ary nalahatro ho antokony roa lehibe ny mpihira manao prôsesiôna. Ny antokony voalohany, nandeha teny ambonin’ny manda, amin’ny ilany havanana, ho eo amin’ny vavahadin’ny Zezika.
Nehemia 12:38 - Baiboly Katolika dia avy teo ambony vavahadin’i Efraima, teo amin’ny vavahady Goga, teo am-bavahadin’ny Hazandrano, teo amin’ny tilikambon’i Hananeela, sy ny tilikambon’i Meà, hatreo amin’ny vavahadin’ny Ondry; ary teo amin’ny vavahadin’ny Tranomaizina no nijanona. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny antoko mpihira andiany faharoa kosa dia nandeha nifanandrify taminy sady narahiko niaraka tamin’ny antsasaky ny olona teo ambonin’ny manda hatreo ambonin’ny tilikambo fiambenana misy ny fatana fandoroana ka hatreo amin’ny manda lehibe, DIEM PROTESTANTA Ny antoko-mpihira faharoa kosa dia nandeha tamin’ny ilany ankavia; ka ny tenako sy ny antsasak’ireo mpanapaka an’i Joda no nanaraka azy teny ambonin’ny manda. Nandalo teo akaikin’ny Tilikambon’ny Fatana izahay, dia nandroso hatreny amin’ny manda malalaka; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny antoko-mpihira faharoa kosa dia nandeha tamin’ny ilany ankavia; ka ny tenako sy ny antsasak’ireo mpanapaka an’i Joda no nanaraka azy teny ambonin’ny manda. Nandalo teo akaikin’ny Tilikambon’ny Fatana izahay, dia nandroso hatreny amin’ny manda malalaka; Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny mpanao fiderana irai-dia kosa dia nandeha nifanandrify taminy sady narahiko sy ny antsasaky ny olona teo ambonin’ny mànda hatreo ambonin’ny tilikambo misy ny fatana fandoroana ka hatramin’ny mànda lehibe, Malagasy Bible Ary ny mpanao fiderana irai-dia kosa dia nandeha nifanandrify taminy sady narahiko sy ny antsasaky ny olona teo ambonin'ny manda hatreo ambonin'ny tilikambo misy ny fatana fandoroana ka hatramin'ny manda lehibe, La Bible en Malgache Ny antoko mpihira andiany faharoa kosa dia nandeha nifanandrify taminy sady narahiko niaraka tamin’ny antsasaky ny olona teo ambonin’ny manda hatreo ambonin’ny tilikambo fiambenana misy ny fatana fandoroana ka hatreo amin’ny manda lehibe, |
Nasaiko niakatra teny ambonin’ny manda ireo mpanapaka an’i Jodà, ary nalahatro ho antokony roa lehibe ny mpihira manao prôsesiôna. Ny antokony voalohany, nandeha teny ambonin’ny manda, amin’ny ilany havanana, ho eo amin’ny vavahadin’ny Zezika.
Ny laniny sasany amin’ny manda sy ny tilikambon’ny fatana fandoroana kosa, namboarin’i Melkiasa zanak’i Herema sy i Hasoba zanak’i Fahata-Moaba.
i Oziela zanak’i Araiasa lohan’ny mpanefy volamena, nanamboatra teo anilany; ary i Anania isan’ny fikambanan’ny mpanao zava-manitra no nanamboatra teo anilany; navelany i Jerosalema hatreo amin’ny manda malalaka.