Izany no nahatanterahan’ny tenin’i Iaveh, tamin’ny vavan’i Jeremia: «Mandra-pahazon’ny tany ny onitry ny sabany, fa nitsahatra izy mandritra ny fotoana nahafoana azy, dia mandra-pahafenon’ny fitopolo taona.»
Nehemia 10:31 - Baiboly Katolika Indrindra fa nanome toky izahay fa tsy hanome ny zanakay vavy ho vadin’ny vahoakan’ny tany, na haka ny zanany vavy ho vadin’ny zanakay lahy; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 tsy hanome ny zanakay vavy ho vadin’ny tompon-tany, na haka ny zanany vavy ho vadin’ny zanakay lahy; DIEM PROTESTANTA Tsy homenay ho vadin’ny valovotaka ny zanakavavinay; ary tsy halainay ho vadin’ny zanakalahinay ny zanakavavin’ireo valovotaka. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tsy homenay ho vadin’ny valovotaka ny zanakavavinay; ary tsy halainay ho vadin’ny zanakalahinay ny zanakavavin’ireo valovotaka. Baiboly Protestanta Malagasy ary tsy hanome ny zanakai-vavy ho vadin’ny tompon-tany, na haka ny zanani-vavy ho vadin’ny zanakai-lahy; Malagasy Bible ary tsy hanome ny zananivavy ho vadin'ny tompon-tany, na haka ny zananivavy ho vadin'ny zanakai-lahy; La Bible en Malgache tsy hanome ny zanakay vavy ho vadin’ny tompon-tany, na haka ny zanany vavy ho vadin’ny zanakay lahy; |
Izany no nahatanterahan’ny tenin’i Iaveh, tamin’ny vavan’i Jeremia: «Mandra-pahazon’ny tany ny onitry ny sabany, fa nitsahatra izy mandritra ny fotoana nahafoana azy, dia mandra-pahafenon’ny fitopolo taona.»
Tamin’izany andro izany koa aho, dia nahita Jody namponina teo aminy vehivavy Azôtianina, Amônita.
Ka moa tokony ho re akory va, fa ianareo koa mahavita heloka be vava sy manota amin’ny Andriamanitsika toy izany, fa namponina ao aminareo vehivavy hafa firenena!
Hanao fivoriana masina ianareo amin’ny andro voalohany, ary hanao fivoriana masina amin’ny andro fahafito. Tsy hiasa amin’ireo andro ireo, fa ny mamboa-tsakafo ho anareo tsirairay avy no azonareo atao.
Fa ny andro fahafito dia Sabata voatokana ho an’i Iaveh Andriamanitrao; tsy hanao asa na inona na inona, na ny tenanao, na ny zanakao lahy na ny zanakao vavy, na ny ankizy lahinao, na ny ankizy vavinao, na ny biby fiompinao, na ny vahiny izay tafiditra ny vavahadinao.
fandrao koa maka ny zanany vavy ho an’ny zanakao lahy ianao, ka nony mitolo-tena amin’ny andriamaniny ireny zanany vavy ireny, dia ho voatariny mbamin’ny zanakao lahy hitolo-tena amin’ny andriamaniny koa.»
Tsy izao va no fifadiana tiako kokoa: dia ny manapaka ny famatorana tsy an-drariny, ny mamaha ny fehezan’ny jioga, ny mandefa ny ampahoriana ho afaka; ny manapatapaka ny jioga rehetra isan-karazany?
«Izao no lalàna tsy tapaka ho anareo: amin’ny volana fahafito, andro fahavalon’ny volana, hampijaly tena ianareo, sady tsy hanao taozavatra akory, na ny tompon-tany na ny vahiny mitoetra eo aminareo.
Amin’io andro io indrindra no hiantsoanareo ny fety, ary hisy fivoriana masina ho anareo, tsy hanao asa-mpanompo na inona na inona ianareo. Lalàna tsy tapaka ho an’ny taranakareo izany, any amin’izay tany rehetra honenanareo.
«Andro enina no hiasana, fa ny andro fahafito dia sabata, fitsaharana amin’ny asa rehetra, hasiana fivoriana masina. Tsy hanao asa na inona na inona ianareo, fa fitsaharana voatokana ho an’i Iaveh io, any amin’izay tany rehetra honenanareo.»
Koa aoka ianareo tsy hotsarain’olona ny amin’ny fihinana amam-pisotro, na ny amin’ny andro fety aman-tsinam-bolana, na ny amin’ny andro sabata,
Fa fitsarana tsy misy famindram-po no ho anjaran’izay tsy namindra fo; ary ny famindram-po no maharesy ny fitsarana.