2Tantara 36:21 - Baiboly Katolika21 Izany no nahatanterahan’ny tenin’i Iaveh, tamin’ny vavan’i Jeremia: «Mandra-pahazon’ny tany ny onitry ny sabany, fa nitsahatra izy mandritra ny fotoana nahafoana azy, dia mandra-pahafenon’ny fitopolo taona.» Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201121 hahatanterahana ny tenin’NY TOMPO nampilazaina an’i Jeremia, mandra-panonitry ny tany ny Sabatany; fa tamin’ny andro rehetra izay nahafoanany dia natsahatra ny tany mba hanonitra ny Sabatany mandra-pahatapitra ny fitopolo taona. Jereo ny tokoDIEM PROTESTANTA21 Izany no nahatanterahan’ny teny nampilazain’ny TOMPO an’i Jeremià hoe: «Ity tany ity dia hilaozana mandritra ny fitopolo taona, mandra-pahatapitra ny fe-potoana tokony hitsaharany mba ho onitry ny andro fitsaharana rehetra izay tsy voatandrina.» Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara21 Izany no nahatanterahan’ny teny nampilazain’ny TOMPO an’i Jeremià hoe: «Ity tany ity dia hilaozana mandritra ny fitopolo taona, mandra-pahatapitra ny fe-potoana tokony hitsaharany mba ho onitry ny andro fitsaharana rehetra izay tsy voatandrina.» Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy21 hanatanterahana ny tenin’i Jehovah nampilazaina an’i Jeremia, mandra-panonitry ny tany ny Sabatany; fa tamin’ny andro rehetra izay nahafoanany dia natsahatra ny tany mba hanonitra ny Sabatany mandra-pahatapitry ny fito-polo taona. Jereo ny tokoMalagasy Bible21 hanatanterahana ny tenin'i Jehovah nampilaza.na an'i Jeremia, mandra-panonitry ny tany ny Sabatany; fa tamin'ny andro rehetra izay nahafoanany dia natsahatra ny tany mba hanonitra ny Sabatany mandra-pahatapitry ny fito-polo taona. Jereo ny toko |
dia indro ampanalaiko ny foko rehetra any avaratra, - teny marin’i Iaveh, - hoentiko amin’i Nabokodonozora mpanjakan’i Babilôna, mpanompoko; ary hataoko tonga izy ireo hamely an’ity tany ity mbamin’ny mponina eo aminy sy ny firenena rehetra amin’ny manodidina, ka hataoko anatema izy, hataoko tany lao, zavatra fandatsa, ary rava mandrakizay.