Izaho na dia efa voahosotra ho mpanjaka aza, dia malemy fanahy, fa ireo lehilahy zanak’i Sarvià ireo kosa dia lozabe tokoa noho izaho. Hovalian’i Iaveh anie izay manao ny ratsy araka ny ratsy nataony!»
Mpitsara 9:57 - Baiboly Katolika ary nampianjeran’Andriamanitra tamin’ny lohan’ny mponina tao Sikema, ny haratsiany rehetra. Izany no niharan’ny ozona nataon’i Joatama zanak’i Jerobaala tamin’izy ireo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny ratsy rehetra nataon’ny mponina tao Sekema dia natsingerin’Andriamanitra tamin’ireo lehibeny avokoa ka nihatra taminy ilay ozona nataon’i Jotama, zanak’i Jerobaala. DIEM PROTESTANTA Novalian’Andriamanitra toy izany koa ny mponin’i Sekema ka natsingeriny teo an-dohany ny ratsy rehetra nataony, ary tanteraka taminy ireo ozona nambaran’i Jôtama, zanakalahin’i Jerobahala. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Novalian’Andriamanitra toy izany koa ny mponin’i Sekema ka natsingeriny teo an-dohany ny ratsy rehetra nataony, ary tanteraka taminy ireo ozona nambaran’i Jôtama, zanakalahin’i Jerobahala. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny ratsy rehetra nataon’ny mponina tao Sekema dia natsingerin’Andriamanitra tamin’ny lohany avokoa, ka dia nihatra taminy ilay fanozonana nataon’i Jotama, zanak’i Jerobala. Malagasy Bible Ary ny ratsy rehetra nataon'ny mponina tao Sekema dia natsingerin'Andriamanitra tamin'ny lohany avokoa, ka dia nihatra taminy ilay fanozonana nataon'i Jotama, zanak'i Jerobala. La Bible en Malgache Ny ratsy rehetra nataon’ny mponina tao Sekema dia natsingerin’Andriamanitra tamin’ireo lehibeny avokoa ka nihatra taminy ilay ozona nataon’i Jotama, zanak’i Jerobaala. |
Izaho na dia efa voahosotra ho mpanjaka aza, dia malemy fanahy, fa ireo lehilahy zanak’i Sarvià ireo kosa dia lozabe tokoa noho izaho. Hovalian’i Iaveh anie izay manao ny ratsy araka ny ratsy nataony!»
Fahavelony dia nanorina an’i Jerikô, i Hiela avy any Betela, kanjo ny ain’i Abirama lahy matoany, no sazin’ny nanorenany ny fotony, ary ny ain’i Segoba zanany faralahy, no sazin’ny nananganany ny vavahadiny, araka ny tenin’i Iaveh izay nolazainy tamin’ny alalan’i Jôsoe zanak’i Nona.
Hatsingerin’i Iaveh eo an-dohany ihany ny rany, fa olona roa lahy, marina sy tsara noho izy, no nasainy sy novonoiny tamin’ny sabatra, nefa tsy fantatr’i Davida raiko izany, dia i Abnera zanak’i Nera, filohan’ny tafik’i Israely, sy i Amasà, zanak’i Jetera, filohan’ny tafik’i Jodà.
Mitsingerina eo an-dohany ny haratsiany, ary miverina eo an-tampon-kandriny ny fanaovany an-keriny.
Hataony mifotitra amin’ireny ny helony; ary ny haratsiany ihany, no handringanany azy ireny: haringan’i Iaveh Andriamanitra izy!
Ny ratsy fanahy mihitsoka amin’ny ratsy nataony, ny famatoran’ny fahotany ihany no maningotra azy;
Loza ho an’ny ratsy fanahy! fa hidiran-doza izy, fa haverina aminy ny nataon’ny tanany.
Tamin’izany andro izany i Jôsoe nianiana nanao hoe: «Ho voaozona eo anatrehan’i Iaveh izay olona hitsangana hanorina indray ity tanànan’i Jerikô ity; ny lahimatoany no hanefany ny sazin’ny hanorenany ny fotony, ary ny faralahiny no hanefany ny sazin’ny hananganany ny vavahadiny.»
Dia hoy i Adôni-Bezeka: «Mpanjaka fitopolo notapahina ankiben-tongotra aman-tanana no nitsindroka tao ambany latabatro, ka ny nataoko ity no afotitr’Andriamanitra amiko.» Nentina nankany Jerosalema izy, dia maty tany.
I Tolà zanak’i Foà, zanak’i Dôdao, lehilahy amin’i Isakara, no nitsangana hamonjy an’i Israely, taorian’i Abimeleka. Tany Samira amin’ny tendrombohitr’i Efraima izy no nonina.
Fa raha tsy izany, dia aoka i Abimeleka hivoaka afo ka handevona ny mponina ao Sikema mbamin’ny ankohonan’i Melao ary ny mponina ao Sikema mbamin’ny ankohonan’i Melao koa hivoaka afo ka handevona an’i Abimeleka.
mba hivaly ny heloka natao tamin’ny zanak’i Jerobaala fitopolo lahy, ka samy hianjeran’ny rany i Abimeleka rahalahiny, izay namono azy, sy ny mponina tao Sikema izay nanampy an’io hamono ny rahalahiny.
Nananika ny tanàna iny tontolo andro iny i Abimeleka dia afany, ka ny vahoaka tao novonoiny, ary ny tanàna nofongorany sady nofafazany sira.
Izany no nampianjeran’Andriamanitra tamin’i Abimeleka ny ratsy nataony tamin-drainy, tamin’ny namonoany ny rahalahiny fitopolo lahy,