Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mpitsara 9:38 - Baiboly Katolika

Dia hoy i Zebola taminy: «Fa aiza re ilay vavanao nanao hoe: Iza moa i Abimeleka no hotompointsika? Moa tsy ireo indrindra va no olona nesoinao? Mivoaha amin’izao, ka miadia aminy».

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia hoy i Zebola taminy: Aiza ny vavanao izay niteny hoe: Iza moa i Abimeleka, no hotompointsika? Tsy ireo va no olona izay nohamavoinao? Mivoaha ankehitriny ka miadia aminy!

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Dia namaly azy indray i Zebola hoe: –Aiza amin’izay ity vavanao nilaza taminay hoe: «Iza moa i Abimelèka no hotompointsika?» Ka tsy ireo ve ny tafika novingavingainao? Koa miaingà ianao ankehitriny hiady aminy!

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia namaly azy indray i Zebola hoe: –Aiza amin’izay ity vavanao nilaza taminay hoe: «Iza moa i Abimelèka no hotompointsika?» Ka tsy ireo ve ny tafika novingavingainao? Koa miaingà ianao ankehitriny hiady aminy!

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia hoy Zebola taminy: Aiza ny vavanao izay niteny hoe: Iza moa Abimeleka, no hotompointsika? Tsy ireo va no olona izay nohamavoinao? Mivoaha ankehitriny ka miadia aminy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia hoy Zebola taminy: Aiza ny vavanao izay niteny hoe: Iza moa Abimeleka, no hotompointsika? Tsy ireo va no olona izay nohamavoinao? Mivoaha ankehitriny ka miadia aminy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia hoy i Zebola taminy: Aiza ny vavanao izay niteny hoe: Iza moa i Abimeleka, no hotompointsika? Tsy ireo va no olona izay nohamavoinao? Mivoaha ankehitriny ka miadia aminy!

Jereo ny toko



Mpitsara 9:38
7 Rohy Ifampitohizana  

Fa aiza izay andriamanitra nataonao ho anao? Aoka hitsangana ireny raha mahavonjy anao amin’ny andron’ny fahorianao. Fa mifanisa amin’ny tanànanao ny isan’ny andriamanitrao, ry Jodà.


Niteny indray i Gaala nanao hoe: «Andian’olona no hitako midina avy eo am-pamatonan-tany, ary antokon’olona no tamy mihazo ny lalana eo amin’ny aokan’ny mpanandro».


Dia nivoaka nitarika ny olona tao Sikema i Gaala, ka niady tamin’i Abimeleka.


Aza dia fatra-piteny avonavona na mamoaka vava midaondaom-poana. Fa Andriamanitra mahalala ny zavatra rehetra i Iaveh, ary velon-ko tsinontsinona ny asan’ny olombelona.