Mpitsara 9:18 - Baiboly Katolika kanjo nitsangan-kamely ny ankohonan’i dada kosa ianareo androany; ny zanany fitopolo lahy novonoinareo teo ambony vato iray ihany, ary i Abimeleka zanak’andevovaviny no natsanganareo ho mpanjakan’ny mponina ao Sikema, satria rahalahinareo io. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 nefa ianareo kosa dia nikomy tamin’ny taranaky ny raiko androany ka namono ny zanany fitopolo lahy teo ambonin’ny vato iray, ary i Abimeleka, zanaky ny mpanompovaviny, no nampanjakainareo tamin’ny mponina ao Sekema, satria rahalahinareo izy; DIEM PROTESTANTA nefa androany dia nikomianareo ny ankohonany. Novonoinareo ny zanany fitopolo lahy teo ambony vatolampy iray ihany; ary nampanjakainareo tamin’ny mponin’i Sekema i Abimelèka zanakalahin’ny mpanompovaviny, satria havanareo izy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara nefa androany dia nikomianareo ny ankohonany. Novonoinareo ny zanany fitopolo lahy teo ambony vatolampy iray ihany; ary nampanjakainareo tamin’ny mponin’i Sekema i Abimelèka zanakalahin’ny mpanompovaviny, satria havanareo izy. Baiboly Protestanta Malagasy nefa hianareo kosa niodina tamin’ny taranaky ny raiko androany ka namono ny zanany fito-polo lahy teo ambonin’ny vato iray, ary Abimeleka, zanaky ny ankizivaviny, no nampanjakainareo tamin’ny mponina ao Sekema, satria rahalahinareo izy),– Malagasy Bible nefa ianareo kosa niodina tamin'ny taranaky ny raiko androany ka namono ny zanany fito-polo lahy teo ambonin'ny vato iray, ary Abimeleka, zanaky ny ankizivaviny, no nampanjakainareo tamin'ny mponina ao Sekema, satria rahalahinareo izy), La Bible en Malgache nefa ianareo kosa dia nikomy tamin’ny taranaky ny raiko androany ka namono ny zanany fitopolo lahy teo ambonin’ny vato iray, ary i Abimeleka, zanaky ny mpanompovaviny, no nampanjakainareo tamin’ny mponina ao Sekema, satria rahalahinareo izy; |
ary tsy nampiseho firaiketam-po tamin’ny taranak’i Jerobaala-Jedeôna araka ny soa rehetra nataony tamin’i Israely.
Tamin’izay dia hoy ny hazo rehetra tamin’ny tsilo milobolobo: Avia ianao hanjaka aminay.
fa niady ho anareo ny raiko, nanao vy very ny ainy ka nanafaka anareo tamin’ny tanan’i Madiàna izy;
Koa raha marina sy mahitsy ny nataonareo androany tamin’i Jerobaala sy ny ankohonany, dia aoka i Abimeleka hampifaly anareo, ary ianareo kosa hampifaly azy.
«Raha sitrakareo mba lazao kely ho ren’ny mponina rehetra ao Sikema izao: Inona no tsara ho anareo ny hanjakan’izy fitopolo lahy, samy zanak’i Jerobaala, aminareo va, sa ny hanjakan’ny lehilahy iray aminareo? Ary tsarovy fa taolana sy fonareo ihany aho».