Ka nony nandalo ireo mpandranto Madianita, dia nesoriny sy nakariny hiala tao an-davaka i Josefa, dia namidiny roapolo farantsa volafotsy tamin’ny Ismaelita, ka nentin’ireo nankany Ejipta.
Mpitsara 8:22 - Baiboly Katolika Dia hoy ny lehilahy amin’i Israely tamin’i Jedeôna: «Aoka hanjaka aminay ianao sy ny zanakao ary ny zafinao, satria ianao no nanafaka anay tamin’ny tanan’i Madiàna». Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hoy ny lehilahin’ny Israely tamin’i Gideona: Aoka ianao sy ny zanakao ary ny zafinao no hanapaka aminay fa namonjy anay tamin’ny tanan’ny Midianita ianao. DIEM PROTESTANTA Taorian’izany dia hoy ny Israelita tamin’i Gidehôna: –Aoka ianao no hanjaka aminay ary ny zanakalahinao sy ny zafinao no handimby anao, satria ianao no nanafaka anay tamin’ny Midianita. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Taorian’izany dia hoy ny Israelita tamin’i Gidehôna: –Aoka ianao no hanjaka aminay ary ny zanakalahinao sy ny zafinao no handimby anao, satria ianao no nanafaka anay tamin’ny Midianita. Baiboly Protestanta Malagasy Dia hoy ny lehilahy amin’ny Isiraely tamin’i Gideona: Manapaha anay hianao sy ny zanakao ary ny zafinao; fa efa namonjy anay tamin’ny tànan’ny Midiana hianao. Malagasy Bible Dia hoy ny lehilahy amin'ny Isiraely tamin'i Gideona: Manapaha anay ianao sy ny zanakao ary ny zafinao; fa efa namonjy anay tamin'ny tanan'ny Midiana ianao. La Bible en Malgache Hoy ny lehilahin’ny Israely tamin’i Gideona: Aoka ianao sy ny zanakao ary ny zafinao no hanapaka aminay fa namonjy anay tamin’ny tanan’ny Midianita ianao. |
Ka nony nandalo ireo mpandranto Madianita, dia nesoriny sy nakariny hiala tao an-davaka i Josefa, dia namidiny roapolo farantsa volafotsy tamin’ny Ismaelita, ka nentin’ireo nankany Ejipta.
Dia fantatr’i Jesoa fa ho avy haka Azy an-keriny hatao mpanjaka izy ireo, ka lasa indray Izy irery nankany an-tendrombohitra.
Dia hoy i Zebea sy i Salmanà: «Ny tenanao no mitsangàna dia miantoraha aminay, fa araka ny toetry ny olona ihany no heriny». Nitsangana i Jedeôna ka namono an’i Zebea sy i Salmanà, ary naka ny sarim-bolan-tsinana teny amin’ny vozon-dramevan’ireo.
Hoy i Jedeôna taminy: «Tsy hanjaka aminareo aho, na ny zanako, fa i Iaveh ihany no hanjaka aminareo.
Ary nony nahita an’i Naasy mpanjakan’ny taranak’i Amôna tamy hiady aminareo anefa ianareo, dia nanao tamiko hoe: Tsia, fa aoka hisy mpanjaka hanjaka aminay! Kanefa i Iaveh no mpanjakanareo fahizay.
nanao taminy hoe: «Ianao ity efa antitra ary ny zanakao tsy manara-dia anao, koa mpanjaka toy ny an’ny firenena rehetra no atsangano aminay hitsara anay».