Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mpitsara 6:39 - Baiboly Katolika

Fa hoy indray i Jedeôna tamin’Andriamanitra: «Aoka mba tsy hirehitra amiko ny hatezeranao, aoka ho afaka hiteny indray maka indray aho: mba te-hizaha kely indray mandeha monja amin’ny volon’ondry indray aho: aoka ny volon’ondry irery no ho maina, fa ny tany rehetra no hilatsahan’ny ando.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Hoy ihany i Gideona tamin’Andriamanitra: Aoka tsy hirehitra amiko ny fahatezeranao fa hiteny izao indray mandeha izao monja aho. Aoka mba hozahako izao indray mandeha izao monja ny amin’ny volon’ondry: Aoka ny volon’ondry ihany no ho maina fa ny tany manontolo kosa no ho lenan’ny ando.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ary hoy indray izy tamin’Andriamanitra: –Aoka mba tsy hirehi-pahatezerana amiko Ianao raha mbola angatahiko zavatra indray mandeha! Te hahazo porofo farany ny amin’ny volon’ondry aho: ka amin’ity indray mandeha ity dia aoka ny volon’ondry ihany no ho maina, fa ny tany manodidina azy kosa ho lenan’ny ando avokoa.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ary hoy indray izy tamin’Andriamanitra: –Aoka mba tsy hirehi-pahatezerana amiko Ianao raha mbola angatahiko zavatra indray mandeha! Te hahazo porofo farany ny amin’ny volon’ondry aho: ka amin’ity indray mandeha ity dia aoka ny volon’ondry ihany no ho maina, fa ny tany manodidina azy kosa ho lenan’ny ando avokoa.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary hoy koa Gideona tamin’Andriamanitra: Aoka tsy hirehitra amiko ny fahatezeranao, fa hiteny izao indray mandeha izao monja aho; aoka mba hizahako izao indray mandeha izao monja amin’ny volon’ondry: aoka ny volon’ondry ihany no ho maina, fa ny tany rehetra kosa no ho lenan’ny ando.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary hoy koa Gideona tamin'Andriamanitra: Aoka tsy hirehitra amiko ny fahatezeranao, fa hiteny izao indray mandeha izao monja aho; aoka mba hizahako izao indray mandeha izao monja amin'ny volon'ondry: aoka ny volon'ondry ihany no ho maina, fa ny tany rehetra kosa no ho lenan'ny ando.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Hoy ihany i Gideona tamin’Andriamanitra: Aoka tsy hirehitra amiko ny fahatezeranao fa hiteny izao indray mandeha izao monja aho. Aoka mba hozahako izao indray mandeha izao monja ny amin’ny volon’ondry: Aoka ny volon’ondry ihany no ho maina fa ny tany manontolo kosa no ho lenan’ny ando.

Jereo ny toko



Mpitsara 6:39
14 Rohy Ifampitohizana  

Ary hoy i Abrahama: «Enga anie ka tsy hahatezitra ny Tompo, raha mbola miteny aho: Angamba telopolo izy no ho hita ao.» Dia hoy izy: «Tsy hanao izany Aho raha telopolo no hitako ao.»


Hoy i Abrahama: «Enga anie ka tsy ho tezitra ny Tompo, fa tsy hiteny intsony afa-tsy ity indray mandeha ity aho: Angamba folo izy no ho hita ao.» Dia hoy Izy: «Tsy handringana azy Aho noho ireo folo ireo.»


Tonga Aho: nahoana no tsy nisy olona? Niantso Aho: nahoana no tsy nisy namaly? Moa fohy tanana va Aho, ka tsy afa-namonjy? Sa tsy ampy hery hoenti-manafaka? Vao rahonako fotsiny dia maina ny ranomasina, zary efitra ny ony, maimbo ny hazandranony, fa ritra ny rano, ka matin’ny hetaheta ireny.


Noho izany dia lazaiko aminareo, fa hoesorina aminareo ny fanjakan’Andriamanitra, ka hafindra amin’ny firenena hampahavokatra azy.


fa ny zanaky ny fanjakana kosa dia hariana any amin’ny maizina any ivelany; any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify.»


Tamin’izay i Paoly sy i Barnabe dia niteny tamin-kasahiana hoe: «Ianareo no tsy maintsy nitoriana ny tenin’Andriamanitra voalohany indrindra; nefa noho ianareo mandà azy sy manao ny tenanareo ho tsy mendrika ny fiainana mandrakizay, dia indro hankany amin’ny Jentily izahay.


Fa hoy Izy tamiko: Mandehana, fa any an-tany lavitra amin’ny Jentily no anirahako anao.


Koa aoka ho fantatrareo fa izao famonjen’Andriamanitra izao, dia hoentina any amin’ny Jentily, ka horaisiny an-kafaliana.


Dia tanteraka tokoa izany. Fa nifoha maraina koa izy nony ampitso ary nofiazany ny volon’ondry, ka nampandeha ranonando eran’ny kopy.


Dia nataon’Andriamanitra izany tamin’izay; ny volon’ondry irery no maina ary ny tany rehetra no lenan’ny ando.