Hoy ny navalin’i Abrahama: «Iaveh Tompo ô, inona no hahafantarako fa hanana izany aho?»
Mpitsara 6:36 - Baiboly Katolika Dia hoy i Jedeôna tamin’i Iaveh: «Raha ny tanako tokoa no tianao hamonjena an’i Israely, araka ny voalazanao, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary hoy i Gideona tamin’Andriamanitra: Raha hamonjy ny Israely amin’ny tanako tokoa Ianao araka izay nolazainao, DIEM PROTESTANTA Dia hoy i Gidehôna tamin’Andriamanitra: –Raha sitrakao tokoa ny hamonjy ny Israelita amin’ny alalan’ny tanako araka izay efa voalazanao, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia hoy i Gidehôna tamin’Andriamanitra: –Raha sitrakao tokoa ny hamonjy ny Israelita amin’ny alalan’ny tanako araka izay efa voalazanao, Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy Gideona tamin’Andriamanitra: Raha ny tànako no hamonjenao ny Isiraely araka izay efa nolazainao, Malagasy Bible Ary hoy Gideona tamin'Andriamanitra: Raha ny tanako no hamonjenao ny Isiraely araka izay efa nolazainao, La Bible en Malgache Ary hoy i Gideona tamin’Andriamanitra: Raha hamonjy ny Israely amin’ny tanako tokoa Ianao araka izay nolazainao, |
Hoy ny navalin’i Abrahama: «Iaveh Tompo ô, inona no hahafantarako fa hanana izany aho?»
Ary hoy i Izaia: «Izao no famantarana ho anao avy amin’i Iaveh, hahalalanao fa ho tanterahin’i Iaveh ny teny voalazany: handroso ambaratonga folo va ny aloka sa hihemotra ambaratonga folo?»
«Mangataha famantarana amin’i Iaveh Andriamanitrao; mangataha izany, na any amin’ny faravodin’ny seoly, na any amin’ny havoan’ny lanitra.»
Noho izany dia ny tenan’ny Tompo no hanome famantarana anareo: Indro nanana anaka ny Virjiny, ka miteraka zaza lahy, ary ny anarany hataony hoe Emanoela.
Ary nanatona Azy ny Farisianina sy ny Sadoseanina haka fanahy Azy, ka nangataka taminy mba hampiseho aminy famantarana avy any an-danitra.
Dia nitodika azy i Iaveh ka nanao hoe: «Mandehana amin’izao hery anananao izao, ka afaho amin’ny tanan’i Madiàna i Israely; tsy efa nirahiko va ianao?»
Fa i Iaveh nanao taminy hoe: «Homba anao Aho, ka horesenao toy ny olona iray monja i Madiàna».
indro hametraka volon’ondry eto am-pamoloana aho, ka raha ny volon’ondry irery no lenan’ny ando, fa ny tany rehetra kosa ho maina, dia ho fantatro fa ny tanako tokoa no hanafahana an’i Israely araka ny voalazanao.»
Fa raha ataony hoe: Miakara atỳ aminay, dia hiakatra isika, fa natolotr’i Iaveh eo an-tanantsika izy. Famantarana ho antsika izany».