Androtr’izay ihany, dia nanome famantarana izy nanao hoe: «Izao no famantarana fa i Iaveh no niteny: Indro fa hitresaka ny ôtely ary hiely ny lavenony eo amboniny.»
Mpitsara 6:17 - Baiboly Katolika Hoy i Jedeôna taminy: «Raha nahita fitia teo imasonao aho, mba omeo famantarana fa Ianao no miteny amiko. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia hoy izy Taminy: Miangavy Anao aho, raha mahita fitia eto imasonao, mba anehoy famantarana aho fa Ianao tokoa no miteny amiko. DIEM PROTESTANTA Dia namaly Azy i Gidehôna hoe: –Raha sitrakao àry, dia mba omeo famantarana aho fa Ianao tokoa no miteny amiko. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia namaly Azy i Gidehôna hoe: –Raha sitrakao àry, dia mba omeo famantarana aho fa Ianao tokoa no miteny amiko. Baiboly Protestanta Malagasy Dia hoy izy taminy: Masìna Hianao, raha mahita fitia eto imasonao ary aho, dia anehoy famantarana fa Hianao no miteny amiko. Malagasy Bible Dia hoy izy taminy: Masina Hianao, raha mahita fitia eto imasonao ary aho, dia anehoy famantarana fa Hianao no miteny amiko. La Bible en Malgache Dia hoy izy Taminy: Miangavy Anao aho, raha mahita fitia eto imasonao, mba anehoy famantarana aho fa Ianao tokoa no miteny amiko. |
Androtr’izay ihany, dia nanome famantarana izy nanao hoe: «Izao no famantarana fa i Iaveh no niteny: Indro fa hitresaka ny ôtely ary hiely ny lavenony eo amboniny.»
Aharihario ny indrafonao amiko, ka hahita izany ny fahavaloko, dia ho menatra! Fa Ianao, ry Iaveh, no mamonjy sy mampionona ahy.
koa ankehitriny raha nahita fitia teo imasonao tokoa àry aho dia mba ampahalalao ahy ny lalanao, ary aoka hahalala Anao aho mba hahitako fitia eo imasonao. Hevero fa vahoakanao ity firenena ity.»
Fa inona moa no hahafantaran’ny olona fa nahita fitia teo imasonao aho sy ny vahoakanao, afa-tsy ny fandehananao miaraka aminay ihany? Izany no hanavaka anay, dia izaho sy ny vahoakanao, amin’ny vahoaka rehetra eto ambonin’ny tany.»
«Mangataha famantarana amin’i Iaveh Andriamanitrao; mangataha izany, na any amin’ny faravodin’ny seoly, na any amin’ny havoan’ny lanitra.»
Aza dia miala eto Ianao mandra-piveriko eto aminao, mitondra ny fanatitro sy mandroso azy eo anoloanao.» Dia hoy i Iaveh: «Hiandry mandra-piverinao Aho.»