Tian’i Israely mihoatra noho ny zanany rehetra i Josefa, fa zanaky ny fahanterany, ka nanaovany akanjo lava.
Mpitsara 5:30 - Baiboly Katolika Tsy nahita va izy ireo, tsy mizara babo va izy ireo? Zazavavy iray, zazavavy roa ho an’ny isa-mpiady; lamba misoratsoratra ho babon’i Sisarà; lamba samihafa soratra ho babo, lamba misoratsoratra iray, lamba roa samy hafa soratra ho eo an-tsoroky ny vavy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Efa nahita babo izao izy ireo e! Efa mizara babo izao izy ireo e! Dia zazavavy iray, zazavavy roa, ho an’ny mpiady iray, lamba azo babo samihafa volo ho an’i Sisera, lamba azo babo, lamba roa samihafa soratra, lamba azo babo hatao eo am-bozoko. DIEM PROTESTANTA «Manangona babo izay ny miaramila, ary mbola eo am-pizaràna azy: tovovavy iray na roa isaky ny mahery fo; karazan-damba miloko samy hafa sady vita peta-kofehy ho an’i Siserà; eny, lamba vita peta-kofehy anatiny sy ivelany no hahodidina ny vozon’ilay mpamabo.» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara «Manangona babo izay ny miaramila, ary mbola eo am-pizaràna azy: tovovavy iray na roa isaky ny mahery fo; karazan-damba miloko samy hafa sady vita peta-kofehy ho an’i Siserà; eny, lamba vita peta-kofehy anatiny sy ivelany no hahodidina ny vozon’ilay mpamabo.» Baiboly Protestanta Malagasy Tsy efa mahita va izy? Tsy mizara babo va izy? Dia zazavavy iray na roa ho an’ny isan-dahy, Ary lamba samy hafa volo ho babon’i Sisera, Lamba roa samy hafa soratra ho eo am-bozon’ny nahazo babo. Malagasy Bible Tsy efa mahita va izy? Tsy mizara babo va izy? Dia zazavavy iray na roa ho an'ny isan-dahy, Ary lamba samy hafa volo ho babon'i Sisera, Lamba roa samy hafa soratra ho eo am-bozon'ny nahazo babo. La Bible en Malgache Efa nahita babo izao izy ireo e! Efa mizara babo izao izy ireo e! Dia zazavavy iray, zazavavy roa, ho an’ny mpiady iray, lamba azo babo samihafa volo ho an’i Sisera, lamba azo babo, lamba roa samihafa soratra, lamba azo babo hatao eo am-bozoko. |
Tian’i Israely mihoatra noho ny zanany rehetra i Josefa, fa zanaky ny fahanterany, ka nanaovany akanjo lava.
Akanjo mirebareba no nentin-dravehivavy, fa izany no fitafiana fanaon’ny zanaky ny mpanjaka dieny mbola virjiny izy. Dia navoakan’ny mpanompo izy, ka narindriny ny varavarana nony tafavoaka izy.
dia vetivety foana no nahombiazan’ny ratsy fanahy, ary mihelina ihany ny fifalian’ny tsy mivavaka.
Feno famirapiratana ny zanaka vavin’ny mpanjaka ao anatin’ny trano: volamena voatenona no itafiany.
Hoy ny fahavalo: ‹Hanenjika ka hahatratra, Dia hizara babo aho, Ho afa-diana aho amin’ny valy fatiko. Hotsoahako ny sabatra dia haringan’ny tanako ireny.›
Ny amin’ny vavahadin’ny kianja, dia hasiana varavarana lamba, roapolo hakiho, vita amin’ny jaky volomparasy, sy jaky mena mangatrakatraka sy lamba mena antitra, ary rongony madinika voahasina, misoratsoratra, mbamin’ny andriny efatra sy faladia efatra.
Aleo miara-mietry tena amin’ny madinika, toy izay mira-mizara babo amin’ny mpiavonavona.
Nampitombo ny vahoakanao Ianao, ary nataonao lehibe ny hafaliana; ka mifaly eo anatrehanao, toy ny fifaliana raha fararano izy, toy ny fihobiana an-kafaliana, raha mizara babo.
Tonga ireo mpanjaka ka nandrafitra ady izy ireo, nandrafitra ady tamin’izay ireo mpanjakan’i Kanaana, dia tao Tanàka teo amoron’ny ranon’i Magedao, fa tsy nahazo na dia akoram-bolafotsy iray aza.
Ny mahira-tsaina amin’ny andriambavy tandapany no mamaly azy; ary ny tenin’ireo no averiny ao am-pony: