Nihahaka eran’ny tany ny ady, ka be ny matin’ala noho ny matin’ny sabatra tamin’izany andro izany.
Mpitsara 5:20 - Baiboly Katolika Ny tany an-danitra no niady ho antsika, ny kintana tamin’ny lalana ombany no niady tamin’i Sisarà. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Avy teny amin’ny lanitra no niady ny kintana. Avy teny amin’ny lalany no niadiany tamin’i Sisera. DIEM PROTESTANTA Avy eny an-danitra eny no nandray anjara tamin’ny ady koa ny kintana, ka ny fihodinkodinana arahiny no niadiany tamin’i Siserà. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Avy eny an-danitra eny no nandray anjara tamin’ny ady koa ny kintana, ka ny fihodinkodinana arahiny no niadiany tamin’i Siserà. Baiboly Protestanta Malagasy Avy tany an-danitra no nisy ady: Ny kintana tamin’ny nalehany niady tamin’i Sisera. Malagasy Bible Avy tany an-danitra no nisy ady: ny kintana tamin'ny nalehany niady tamin'i Sisera. La Bible en Malgache Avy teny amin’ny lanitra no niady ny kintana. Avy teny amin’ny lalany no niadiany tamin’i Sisera. |
Nihahaka eran’ny tany ny ady, ka be ny matin’ala noho ny matin’ny sabatra tamin’izany andro izany.
Sady nampifanaritahin’i Iaveh teo anoloan’i Israely izy ireo, ka nataon’i Israely kila hotohoto tao akaikin’i Gabaôna sy nenjehiny tamin’ny lalana mankany Betôrôna, ary nasiany hatrany Azekà sy Makedà.
Tamin’ny nandosiran’izy ireo teo anatrehan’ny zanak’i Israely teo amin’ny fidinan’i Betôrôna dia nampianjeran’i Iaveh vato vaventy izy ireo hatrany Azekà, ka maty; be lavitra ny matin’ny havandra vato noho ny matin’ny sabatry ny zanak’i Israely.
Dia niteny tamin’i Iaveh i Jôsoe tamin’ny andro nanoloran’i Iaveh ny Amôreana tamin’ny zanak’i Israely, ka hoy izy teo imason’ny zanak’i Israely: «Ry masoandro, mijanòna eo ambonin’i Gabaôna ary ianao, ry volana, ambonin’ny lohasaha Ajalôna.»
Ary i Sisarà mbamin’ny kalesiny rehetra sy ny tafiny rehetra dia nampifanaritahin’i Iaveh tamin’ny lelan-tsabatra teo anoloan’i Baràka, ka nidina niala tamin’ny kalesiny i Sisarà, dia nandeha an-tongotra nandositra.
Ny ranon-driaka Sisaona no nanakodia ny fatin’ireny, dia ny ranon-driaka tamin’ny andro fahagola, ny ranon-driaka Sisôna. Mandrosoa an-kasahiana, ry fanahiko ô!
Mbola manatitra ny sorona dorana eo i Samoela, no tamy hamely an’i Israely ny Filistinina; fa nampikotroka mafy ny varatra tamin’ny Filistinina kosa i Iaveh tamin’izay andro izay, ka nampifanaritaka azy; dia resy teo anoloan’i Israely.