Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mpitsara 5:13 - Baiboly Katolika

Midìna amin’izay ny sisan’ny andriana amin’ny vahoaka! Midìna ho atỳ amiko, Iaveh, eo amin’ireo olo-mahery!

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Tamin’izany dia nidina izay sisa tavela nankany amin’ireo mahery fo; ny vahoakan’NY TOMPO dia nidina homba ahy koa niaraka tamin’ireo mpiady mahery.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Nirohotra nankany amin’ny lehibeny ireo Israelita ary nivory teo amiko ny vahoakan’ny TOMPO niaraka tamin’ireo lehilahy mahery fo.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nirohotra nankany amin’ny lehibeny ireo Israelita ary nivory teo amiko ny vahoakan’ny TOMPO niaraka tamin’ireo lehilahy mahery fo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Tamin’izany dia nidina izay olo-malaza sisa mbamin’ny vahoaka, Jehovah nidina homba ahy koa hamely ny olo-mahery.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Tamin'izany dia nidina izay olo-malaza sisa mbamin'ny vahoaka, Jehovah nidina homba ahy koa hamely ny olo-mahery.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Tamin’izany dia nidina izay sisa tavela nankany amin’ireo mahery fo; ny vahoakan’NY TOMPO dia nidina homba ahy koa niaraka tamin’ireo mpiady mahery.

Jereo ny toko



Mpitsara 5:13
11 Rohy Ifampitohizana  

Izany no alehan’ireo olona be hambo loatra, mbamin’izay manaraka azy, manaiky ny teniny. - Selà


Fa tsy avy any atsinanana, na avy any andrefana, na avy any an’efitry ny tendrombohitra!...


Ary ho fantatry ny hazo rehetra any an-tsaha, fa Izaho Iaveh efa nanetry ny hazo avo, ary nanandratra ny hazo voaetry; nahamaina ny hazo maitso, ary nahamaitso ny hazo maina. Izaho Iaveh no niteny, ary Izaho no hanatanteraka.


Amin’izany rehetra izany anefa, dia mihoatra noho ny mpandresy isika, amin’ny alalan’Ilay tia antsika.


Indro, atolotro anao ny sasany amin’ny sinagogan’i Satana, izay mihambo ho Jody, nefa tsy izy, fa mandainga; indro, hataoko tonga hiankohoka eo an-tongotrao izy ireo, dia ho fantany fa tia anao Aho.


Mifohaza, mifohaza, ry Debôrà, mifohaza, mifohaza ka manaova hira anankiray! mitsangàna, ry Baràka, sambory izay ho babonao, ry zanak’i Abineômo.


Avy any amin’i Efraima ny olona izay mandatsa-paka amin’i Amaleka; nikambana tamin’ny antokonao i Benjamina teo aorianao; avy any amin’i Makira nisy lehibe nidina, avy any amin’i Zabolôna nisy mpitondra nitana ny tehin’ny mpanoratra.


Ozòny i Mezôra, hoy ny Anjelin’i Iaveh, Ozòny dia ozòny ny mponina ao! Fa tsy mba tonga hanampy an’i Iaveh ireny, fa tsy nanampy an’i Iaveh ireny niaraka tamin’ny mahery.