Mpitsara 3:30 - Baiboly Katolika Dia voaetry eo ambanin’ny tanan’i Israely i Moaba tamin’izany andro izany ka nandry valopolo taona ny tany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Naetrin’ny Israely ny Moabita tamin’izany andro izany. Dia nandry ny tany nandritra ny valopolo taona. DIEM PROTESTANTA Tamin’izany andro izany dia nietry teo ambany fahefàn’ny Israelita ny Môabita; ka nandry fahalemana ny tany nandritra ny valopolo taona. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tamin’izany andro izany dia nietry teo ambany fahefàn’ny Israelita ny Môabita; ka nandry fahalemana ny tany nandritra ny valopolo taona. Baiboly Protestanta Malagasy Dia resin’ny tànan’ny Isiraely ny Moabita tamin’izany andro izany. Ary nandry valo-polo taona ny tany. Malagasy Bible Dia resin'ny tanan'ny Isiraely ny Moabita tamin'izany andro izany. Ary nandry valo-polo taona ny tany. La Bible en Malgache Naetrin’ny Israely ny Moabita tamin’izany andro izany. Dia nandry ny tany nandritra ny valopolo taona. |
Nandresy an’i Moaba izy ireo tamin’izany andro izany, tokony ho lehilahy iray alina, samy tomady sy mahery avokoa, ka tsy afa-nandositra na dia iray aza.
I Samigara zanak’i Anata no nanarakaraka azy. Nandresy Filistinina enin-jato lahy, tamin’ny fanindronan’omby izy, ka mpanafaka an’i Israely koa.
Ny fahavalonao rehetra anie ho levona toy izany, Iaveh ô, ary izay tia Anao kosa, hanahaka ny masoandro raha ilay miposaka amin’ny heriny izy!»
Elimeleka no anaran-dralehilahy io, Nôemì no anaran’ny vadiny, ary Mahalôna sy Seljôna no anaran’ny zanany roa lahy. Efrateanina avy any Betlehema any Jodà izy ireo, ary nankany amin’ny tanin’i Moaba sy nonina tany.