Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mpitsara 3:29 - Baiboly Katolika

Nandresy an’i Moaba izy ireo tamin’izany andro izany, tokony ho lehilahy iray alina, samy tomady sy mahery avokoa, ka tsy afa-nandositra na dia iray aza.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia namono ny Moabita tamin’izany andro izany izy, tokony ho lehilahy iray alina izay samy olona vaventy sady mahery avokoa; tsy nisy afaka nandositra na dia iray akory aza.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Tamin’izay andro izay dia Môabita sahabo ho andiany folo no matiny, dia vatan-dehilahy tomady sy mahery fo avokoa; ka tsy nisy afa-nitsoaka ireny na iray aza.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Tamin’izay andro izay dia Môabita sahabo ho andiany folo no matiny, dia vatan-dehilahy tomady sy mahery fo avokoa; ka tsy nisy afa-nitsoaka ireny na iray aza.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia namono ny Moabita tokony ho iray alin-dahy tamin’izany andro izany izy, samy olona vaventy sady mahery izy rehetra; ary tsy nisy afaka nandositra na dia iray akory aza.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia namono ny Moabita tokony ho iray alin-dahy tamin'izany andro izany izy, samy olona vaventy sady mahery izy rehetra; ary tsy nisy afaka nandositra na dia iray akory aza.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia namono ny Moabita tamin’izany andro izany izy, tokony ho lehilahy iray alina izay samy olona vaventy sady mahery avokoa; tsy nisy afaka nandositra na dia iray akory aza.

Jereo ny toko



Mpitsara 3:29
7 Rohy Ifampitohizana  

Efa safotry ny taviny ny tavany sady manotraka be ny valahany.


Tandremany tsy hidiran’ny indrafo ny fony, sady miloa-bava manao teny miavonavona izy ireo.


Nanome didy anareo aho tamin’izany andro izany, nanao hoe: Efa nomen’i Iaveh Andriamanitrareo ho fanananareo ity tany ity, koa ianareo rehetra, rehefa mety ho lehilahy matanjaka dia handeha mitam-piadiana eo alohan’ny rahalahinareo, dia ny zanak’i Israely.


Kanjo nihanatavy i Jesoròna ka nibohy; - eny efa tonga matavy sy botrefona ary dongadonga ianao, ka dia nahafoy ny Andriamanitra izay nanao azy sy naniratsira ny Vatolampy famonjena azy.


Natolony an’i Eglôna mpanjakan’i Moaba ny fanomezana, ary lehilahy matavy be i Eglôna.


Hoy izy taminy: «Manaraha ahy, fa efa natolotr’i Iaveh eo an-tananareo ny fahavalonareo, ny Moabita.» Dia nidina nanaraka azy ireo, ka azony ny fitàna an’i Jordany tandrifin’i Moaba, ary notapahiny tsy hitan’olona na dia iray aza.


Dia voaetry eo ambanin’ny tanan’i Israely i Moaba tamin’izany andro izany ka nandry valopolo taona ny tany.