Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mpitsara 21:8 - Baiboly Katolika

Dia hoy izy: «Moa misy, na dia anankiray aza, amin’ny fokon’i Israely, tsy mba niakatra nankany amin’i Iaveh tany Masfà? Ary indro, ny tamin’i Jabesy any Galaada, no tsy mba nisy tonga tao an-toby amin’ny fiangonana.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia hoy izy: Iza amin’ny fokon’ny Israely no tsy mba niakatra ho any amin’NY TOMPO tany Mizpa? Ary indro, tsy nisy olona avy tany Jabesy-Gileada na dia iray akory aza nankany an-toby ho ao amin’ny fiangonana.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Dia nifanadihady teo izy mba hahalalana raha nisy vondron’olona tamin’ny fokon’i Israely tsy tonga niseho teo anatrehan’ny TOMPO tao Mitsepà. Koa hitany fa ny olona avy any Jabesy-Gilehada ihany no tsy tonga tao an-toby nivoriana.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia nifanadihady teo izy mba hahalalana raha nisy vondron’olona tamin’ny fokon’i Israely tsy tonga niseho teo anatrehan’ny TOMPO tao Mitsepà. Koa hitany fa ny olona avy any Jabesy-Gilehada ihany no tsy tonga tao an-toby nivoriana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia hoy izy: Iza amin’ny firenen’Isiraely no tsy mba niakatra ho any amin’i Jehovah tany Mizpa? Ary, indro, tsy nisy olona avy tany Jabesi-gileada na dia iray akory aza nankany an-toby ho ao amin’ny fiangonana.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia hoy izy: Iza amin'ny firenen'Isiraely no tsy mba niakatra ho any amin'i Jehovah tany Mizpa? Ary, indro, tsy nisy olona avy tany Jebesi-gileada na dia iray akory aza nankany an-toby ho ao amin'ny fiangonana.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia hoy izy: Iza amin’ny fokon’ny Israely no tsy mba niakatra ho any amin’NY TOMPO tany Mizpa? Ary indro, tsy nisy olona avy tany Jabesy-Gileada na dia iray akory aza nankany an-toby ho ao amin’ny fiangonana.

Jereo ny toko



Mpitsara 21:8
9 Rohy Ifampitohizana  

Nony nandre izay rehetra nataon’ny Filistinina tamin’i Saola ny tany Jabesa any Galaada rehetra,


Inona re no hataontsika ho azy, mba hahazoan’ireo sisa vady? Fa isika efa nianiana tamin’i Iaveh tsy hanome ny zanatsika ho vadin’izy ireo.»


Fa nisaina ny olona ary indro fa tsy nisy tao ny mponina ao Jabesy any Galaada, na dia iray aza.


Ozòny i Mezôra, hoy ny Anjelin’i Iaveh, Ozòny dia ozòny ny mponina ao! Fa tsy mba tonga hanampy an’i Iaveh ireny, fa tsy nanampy an’i Iaveh ireny niaraka tamin’ny mahery.


Naka omby roa izy, norasarasainy ho madinika, dia nampitondrainy iraka ho any amin’ny faritanin’i Israely rehetra nataony hoe: «Na zovy na zovy tsy handeha manaraka an’i Saola sy i Samoela dia hatao tahaka ireny ny ombiny.» Azon’ny tahotra an’i Iaveh ny vahoaka, ka indray niainga toy ny olona iray ihany izy rehetra.


Dia hoy izy tamin’iretsy iraka tonga: «Lazao amin’ny olona any Jabesy any Galaada fa rahampitso ilay efa mahery iny ny andro dia hahazo famonjena ianareo.» Nambaran’ny iraka tamin’ny olona tany Jabesy izany, ka feno hafaliana izy ireo.