Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mpitsara 21:6 - Baiboly Katolika

Nalahelo an’i Benjamina rahalahiny ny zanak’i Israely, ka nanao hoe: «Ny foko iray no fongotra amin’i Israely androany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary nanenina ny amin’ny Benjamina rahalahiny ny Zanak’Israely ka niteny hoe: Misy firenena iray voafongotra tsy ho eo amin’ny Israely ankehitriny.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Kanefa onena tokoa izy tamin’ireo Benjaminita mpiray firenena aminy, ka niteny hoe: –Foko iray eto amin’i Israely no mila ho levona androany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Kanefa onena tokoa izy tamin’ireo Benjaminita mpiray firenena aminy, ka niteny hoe: –Foko iray eto amin’i Israely no mila ho levona androany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ny Zanak’Isiraely nanenina ny amin’i Benjamina rahalahiny ka nanao hoe: Misy firenena iray voafongotra eo amin’ny Isiraely ankehitriny.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ny Zanak'Isiraely nanenina ny amin'i Benjamina rahalahiny ka nanao hoe: Misy firenena iray voafongotra eo amin'ny Isiraely ankehitriny.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary nanenina ny amin’ny Benjamina rahalahiny ny Zanak’Israely ka niteny hoe: Misy firenena iray voafongotra tsy ho eo amin’ny Israely ankehitriny.

Jereo ny toko



Mpitsara 21:6
8 Rohy Ifampitohizana  

Ary niantso an’i Jôaba, i Abnera ka nanao hoe: «Hanao rapa-dango mandrakizay va ny sabatra? tsy fantatrao va fa hangidy no hiafaran’izany? Hiandry mandra-pahoviana ianao vao hilaza amin’ny vahoaka ny tsy hanenjika ny rahalahiny?»


Hataoko ahoana no famoy anao, ry Efraima, na fanolotra anao, ry Israely? Hataoko ahoana no famela anao ho tahaka an’i Adamà, na fampanjary anao ho tahaka an’i Sebôima? Onena ny foko ato anatiko, ary indray miontana ny fangorahako rehetra.


Vao nahita azy i Jefte dia nandriatra ny fitafiany ka nanao hoe: «Adray, anaka, mahaketraka ahy ianao ary anisan’izay mahavery hevitra ahy, fa efa niloa-bava tamin’i Iaveh aho, ka tsy afa-mifody intsony».


Dia niakatra nitomany teo anatrehan’i Iaveh mandra-paharivan’ny andro ny zanak’i Israely; sady nanontany an’i Iaveh nanao hoe: «Mbola handeha hiady amin’ny taranak’i Benjamina, rahalahiko, ihany va aho?» Ka hoy ny navalin’i Iaveh: «Miakara hamely azy.»


Nalahelo an’i Benjamina ny vahoaka, fa efa nanabangan’i Iaveh iray ny fokon’i Israely.


Ary hoy ny zanak’i Israely: «Iza amin’ny fokon’i Israely rehetra no tsy niakatra namonjy ny fiangonana teo anatrehan’i Iaveh?» Fa efa nisy voady natao ampahibemaso, namely an’izay tsy hiakatra hankany amin’i Iaveh any Masfà manao hoe: «Hoheloin-ko faty izy.»


Inona re no hataontsika ho azy, mba hahazoan’ireo sisa vady? Fa isika efa nianiana tamin’i Iaveh tsy hanome ny zanatsika ho vadin’izy ireo.»