Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mpitsara 20:44 - Baiboly Katolika

Valo arivo sy iray alin-dahy, samy lehilahy mahery avokoa amin’i Benjamina no maty.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nahafatesany lehilahy valo arivo sy iray alina ny Benjamina; lehilahy mahery avokoa ireo rehetra ireo.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Nahafatesana vatan-dehilahy andiany 18 ny Benjaminita tamin’io andro io, dia lehilahy mahery fo avokoa.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nahafatesana vatan-dehilahy andiany 18 ny Benjaminita tamin’io andro io, dia lehilahy mahery fo avokoa.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ny Benjamita dia nahafatesany valo arivo sy iray alin-dahy; lehilahy nahery avokoa ireo rehetra ireo.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ny Benjamita dia nahafatesany valo arivo sy iray alin-dahy; lehilahy nahery avokoa ireo rehetra ireo.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nahafatesany lehilahy valo arivo sy iray alina ny Benjamina; lehilahy mahery avokoa ireo rehetra ireo.

Jereo ny toko



Mpitsara 20:44
4 Rohy Ifampitohizana  

dia nisy 35.400 no voasoratra ho isan’ny fokon’i Benjamina.


Nasian’i Iaveh teo anoloan’i Israely i Benjamina, ka zato amby dimy arivo sy roa alin-dahy samy mahatan-tsabatra no matin’ny zanak’i Israely tamin’i Benjamina androtr’io.


Notemerany sy noenjehiny i Benjamina dia novonoiny teo amin’izay niatoany hatrany an-tandrifin’i Gabaà any amin’ny fiposahan’ny masoandro.


Izay niamboho dia nandositra nankany an’efitra any akaikin’ny haram-baton’i Remôna. Dimy arivo lahy no matin’ny zanak’i Israely teny an-dalana, dia nenjehiny mafy hatrany Jedeôna ihany izy ireny, ka nahafatesany roa arivo koa.