Tsy hokasihin-tanana io, fa hotoraham-bato na hotrobarana ny zana-tsipîka: na biby na olona izy tsy azo velomina. Rehefa maneno ny trômpetra dia hiakatra ho eo an-tendrombohitra izy ireo.»
Mpitsara 20:37 - Baiboly Katolika Fa niroatra faingana nankany Gabaà ireo olona natao otrika ireo, raha efa izany dia nandroso ny lehilahy natao otrika namely ny tanàna manontolo tamin’ny lelan-tsabatra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nihazakazaka hankany Gibea ny mpanao vela-pandrika ka nirohotra namely ny tanàna manontolo tamin’ny lelan-tsabatra. DIEM PROTESTANTA Ireo miaramila niafina ireo dia niroatra haingana nankany Gibehà ka namely ny tanàna manontolo sy nandringana ny mponina tao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ireo miaramila niafina ireo dia niroatra haingana nankany Gibehà ka namely ny tanàna manontolo sy nandringana ny mponina tao. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny otrika niroatra faingana hankany Gibea, dia nandeha faingana ka namely ny tanàna rehetra tamin’ny lelan-tsabatra. Malagasy Bible Ary ny otrika niroatra faingana hankany Gibea, dia nandeha faingana ka namely ny tanàna rehetra tamin'ny lelan-tsabatra. La Bible en Malgache Dia nihazakazaka hankany Gibea ny mpanao vela-pandrika ka nirohotra namely ny tanàna manontolo tamin’ny lelan-tsabatra. |
Tsy hokasihin-tanana io, fa hotoraham-bato na hotrobarana ny zana-tsipîka: na biby na olona izy tsy azo velomina. Rehefa maneno ny trômpetra dia hiakatra ho eo an-tendrombohitra izy ireo.»
Rehefa mitsoka ny trômpetra mafy faneno izy ka renareo ny feon’ny trômpetra, dia hanao akoralava ny vahoaka, ka hirodana ho azy ny mandan’ny tanàna, ary samy hiakatra amin’ny hitsiny avy ny vahoaka.»
Nony voalahatry ny vahoaka ny toby rehetra teo avara-tanàna, sy ny otrika teo andrefan-tanàna dia nandroso eo am-pamatonan-dohasaha iny alina iny ihany i Jôsoe.
Vao nahita izany ny mpanjakan’i Haia dia nifoha maraina koa faingana ny lehilahy tao an-tanàna ka nivoaka hitsena an’i Israely. Nandroso niaraka tamin’ny vahoaka rehetra ny mpanjaka nankeo amin’ny toerana nifanekena tandrifin’ny lohasaha, fa tsy nahalala hoe misy otrika hamely azy ao ivohon’ny tanàna.
Vao nanatsotra ny tanany izy, dia niroatra faingana avy eo amin’izay nitoerany ny otrika, ka nihazakazaka niditra ny tanàna sy naka azy, ka nodorany faingana ny tanàna.