Mpitsara 19:30 - Baiboly Katolika Dia hoy izay nahita rehetra: «Ny zavatra toy izany dia tsy mbola tonga na hita na oviana na oviana hatrizay niakaran’ny zanak’i Israely avy any amin’ny tany Ejipta ka mandraka androany. Koa diniho izany, mifampilà hevitra, dia tapaho». Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hoy izay rehetra nahita: Tsy mbola nisy zava-nitranga toy izao, na nahitan-javatra toy izao hatramin’ny andro niakaran’ny Zanak’Israely avy tany amin’ny tany Ejipta ka mandraka androany; hevero izany, samia maka saina ka ambarao. DIEM PROTESTANTA Ary izay rehetra nahita izany dia samy loa-bolana hoe: –Tsy mbola nisy zavatra nitranga na hita toy ity mihitsy hatramin’izay nialan’ny Israelita tany Ejipta ka mandraka androany. Sady nofeperan’ilay levita rahateo moa ireo olona nirahiny mba hiteny amin’ny Israelita hoe: –Efa nisy zavatra nitranga toy ity ve hatramin’izay nialan’ny Israelita tany Ejipta ka mandraka androany? Koa heveronareo izao raharaha izao, ary aoka ianareo hifampidinika sy hanapa-kevitra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary izay rehetra nahita izany dia samy loa-bolana hoe: –Tsy mbola nisy zavatra nitranga na hita toy ity mihitsy hatramin’izay nialan’ny Israelita tany Ejipta ka mandraka androany. Sady nofeperan’ilay levita rahateo moa ireo olona nirahiny mba hiteny amin’ny Israelita hoe: –Efa nisy zavatra nitranga toy ity ve hatramin’izay nialan’ny Israelita tany Ejipta ka mandraka androany? Koa heveronareo izao raharaha izao, ary aoka ianareo hifampidinika sy hanapa-kevitra. Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy izay rehetra nahita: Tsy nisy zavatra natao na hita toy izany hatramin’ny andro niakaran’ny Zanak’Isiraely avy tany amin’ny tany Egypta ka mandraka andro-any; hevero izany, samia maka saina, ka ambarao. Malagasy Bible Ary hoy ity rehetra nahita: Tsy nisy zavatra natao na hita toy izany hatramin'ny andro niakaran'ny Zanak'Isiraely avy tany amin'ny tany Egypta ka mandraka androany; hevero izany, samia maka saina, ka ambarao. La Bible en Malgache Hoy izay rehetra nahita: Tsy mbola nisy zava-nitranga toy izao, na nahitan-javatra toy izao hatramin’ny andro niakaran’ny Zanak’Israely avy tany amin’ny tany Ejipta ka mandraka androany; hevero izany, samia maka saina ka ambarao. |
Foana ny fikasana raha tsy misy ny fisainana; fa tanteraka kosa izy, raha maro no manolo-tsaina.
Ny filan-kevitra mampiorina ny hevitra kasaina; ka fahiratan-tsaina no itariho ny ady.
Fa ny fahamalinana no itarihanao ny ady, ary ny mpanolo-tsaina maro no isian’ny famonjena.
Simba hatrany am-potony izy ireo, toy ny tamin’ny andron’i Gabaà; hotsarovan’i Iaveh ny helony, ary hovaliany ny fahotany.
Koa indreo ao ianareo zanak’i Israely rehetra, mifampilà saina ianareo, ary tapaho eto ihany izay hevitra».