Andriamanitra nandre ny feon’ny zaza, ka ny Anjelin’Andriamanitra tany an-danitra dia niantso an’i Agara nanao hoe: «Fa maninona izato ianao, ry Agara? Aza matahotra fa efa henon’Andriamanitra ny feon’ny zaza, ao amin’ny toerana misy azy.
Mpitsara 18:23 - Baiboly Katolika Nantsoantsoin’izy ireo avy atỳ aoriana ny taranak’i Dana, ka niherika sy nanao tamin’i Mikasy hoe: «Inona no ilainao no nanangona olona toy izao ianao?» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia niantso ireo taranak’i Dana izy. Niherika ireo ka niteny tamin’i Mika hoe: Maninona ianao no miantsoantso toy izao? DIEM PROTESTANTA Ary nony nihorakoraka nanjohy ny Danita izy, dia nisampotina kosa ireto ka nanontany an’i Mikà hoe: –Inona no nahatonga anao namory olona maro toy izao? Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary nony nihorakoraka nanjohy ny Danita izy, dia nisampotina kosa ireto ka nanontany an’i Mikà hoe: –Inona no nahatonga anao namory olona maro toy izao? Baiboly Protestanta Malagasy Dia niantso ny taranak’i Dana izy. Ary niherika ireo ka nanao tamin’i Mika hoe: Haninona hianao, no nanangona olona maro toy izao? Malagasy Bible Dia niantso ny taranak'i Dana izy. Ary niherika ireo ka nanao tamin'i Mika hoe: Haninona ianao, no nanangona olona maro toy izao? La Bible en Malgache Dia niantso ireo taranak’i Dana izy. Niherika ireo ka niteny tamin’i Mika hoe: Maninona ianao no miantsoantso toy izao? |
Andriamanitra nandre ny feon’ny zaza, ka ny Anjelin’Andriamanitra tany an-danitra dia niantso an’i Agara nanao hoe: «Fa maninona izato ianao, ry Agara? Aza matahotra fa efa henon’Andriamanitra ny feon’ny zaza, ao amin’ny toerana misy azy.
Hoy ny mpanjaka taminy: «Maninona ianao?» Hoy ravehivavy: «Mpitondra tena aho, fa maty ny vadiko.
Hoy koa ny mpanjaka taminy: «Maninona ianao?» Dia hoy ilay vehivavy: «Ravehivavy ity no nanao tamiko hoe: Aiza ny zanakao hohanintsika anio, fa ny ahy kosa hohanintsika rahampitso.
Maninona ity ianao no mandositra, ry ranomasina? ary ity ianao no mianòtra miverina, ry Jordany?
Faminaniana ny amin’i Lohasahan’ny fahitana. Maninona ity ianao, no miakatra ambony tafon-trano avokoa,
Efa lasa lavitra ny tranon’i Mikasy izy ireo, vao indreto ny olona mitoetra ao amin’ny trano mifanolo-bodirindrina amin’i Mikasy nivory nanenjika ireto taranak’i Dana.
Dia hoy izy namaly: «Ny andriamanitro izay nataoko, nongoahanareo mbamin’ny mpisorona, dia lasa ianareo; ka inona indray àry no mba ahy? Ahoana no anaovanareo hoe: Inona no ilainao?»
Ary indro fa tonga avy any an-tsaha, nandroaka ny ombiny i Saola tamin’izay, ka hoy i Saola hoe: «Maninona ity vahoaka no mitomany?» Dia nambaran’ny olona azy ny voalazan’ny olona avy any Jabesy.