Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mpitsara 17:12 - Baiboly Katolika

I Mikasy nanokana ity Levita, dia tonga mpisorona ho azy io ilay tovolahy, ary nitoetra tao an-tranon’i Mikasy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia natokan’i Mika ilay levita ka tonga mpisorony; nitoetra tao an-tranon’i Mika izy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ary natokan’i Mikà ilay levita ka tonga mpisorony ary nipetraka teo aminy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ary natokan’i Mikà ilay levita ka tonga mpisorony ary nipetraka teo aminy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia natokan’ i Mika ilay Levita, ka dia tonga mpisorony izy ary nitoetra tao an-tranon’i Mika.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia natokan'i Mika ilay Levita, ka dia tonga mpisorony izy ary nitoetra tao an-tranon'i Mika.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia natokan’i Mika ilay levita ka tonga mpisorony; nitoetra tao an-tranon’i Mika izy.

Jereo ny toko



Mpitsara 17:12
9 Rohy Ifampitohizana  

Nanao trano ho an’ny fitoerana avo i Jerôbôama, ary namorona mpisorona nalainy tamin’ny vahoaka fa tsy isan’ny taranak’i Levì.


ka niteny tamin’i Kôre sy ny tariny rehetra nanao hoe: «Rahampitso dia hasehon’i Iaveh izay Azy sy izay masina, ka hampanakekeziny Azy: dia izay nofidiny no hampanakekeziny Azy.


Hoy i Iaveh tamin’i Aarôna: «Ianao sy ny zanakao ary ny fianakavian-drainao miaraka aminao no hitondra ny heloka momba ny fitoerana masina; ianao sy ny zanakao miaraka aminao no hitondra ny heloka momba ny fisoronanareo.


Ka ny Levita nanaiky hitoetra tao amin’io lehilahy io ka noraisiny ho toy ny anankiray amin’ny zanany ilay tovolahy.


Ary hoy i Mikasy hoe: «Fantatro ankehitriny, fa hanisy soa ahy i Iaveh satria manana an’ity Levita ity ho mpisorona aho.»


Natsangan’ny taranak’i Dana ho azy ireo ilay sarin-javatra voasikotra; ary i Jonatàna, zanak’i Gersama zanak’i Môizy, dia izy sy ny zanany no mpisoron’ny fokon’i Dana mandra-pahatongan’ny andro namaboana ny tany.


Dia hoy ny navaliny azy: «Izao sy izao no nataon’i Mikasy tamiko; izy manamby ahy ary izaho manao mpisorona ho azy».